Hentitra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, fa resabe fotsiny ny fitakiana ny Iles Eparses. Nanteriny fa miverina amin’i Nosy Maorisy ny fiandrianana amin’ireo Nosy Chagos rehefa teo am-pelatanan’ny britanika sy ny amerikanina tao anatin’ny 50 taona mahery. ” Izany no tena fandresena ara-diplomatika fa tsy ny fanaovana serasera betsaka”, […]
Politika
Fisoratana amin’ny lisi-pifidianana : misy fepetra ny fakana ny didy hitsivolana
Namaly ny mpanao politika sasany tato ho ato ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fahazoana maka “Ordonance”… “Ny olom-pirenena rehetra no mahazo mangataka didy hitsivolana hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny mbola ahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. […]
OIF: Tanjona ny hametraka paikady marolafy, tsy misy fanilihana
Teny anisan’ny manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao ny teny frantsay. Ankoatra izay, mampiray sy mampivondrona firenena maro ihany koa izy, hoy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’i Villiers-Cotterets Paris Frantsa, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana an-tampony […]
Herisetra sy tsy fandriampahalemana : miantso ny fahatsiarovantenan’ ny mpitondra ny Akademia
Namoaka ny tatitry ny fifanakalozana nataony, ny 3 sy 4 septambra teo, ny Akademia Malagasy. Lohahevitra ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana. “Ho an’ireo manam-pahefana mpitondra no ivantanan’ny antso fampahatsiarovan-tena. Amin’ny asa ataony ho fanavaozana ho an’ny hoavin’ny firenena sy amin’ny fanekeny hiantoka ny fandalana ny fikendrena ny soa iombonana […]
Unicef sy MFFT : nojerena ny vahaolana ho an’ny rano any Atsimo
Nanatanteraka fivoriana momba ny fanaraha-maso ny asa famatsiana rano any Atsimo ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), tetsy Anosy, afakomaly. Voaresaka ny tetikasa “Mionjo”, iarahana amin’ny Unicef. Minisitera mpiahy ity tetikasa ity ny eo anivon’ny MFFT ka nivoitra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, sy ny avy […]




