Politika

Fitantanana ny firenena: mitaky ny hanitsiana ny rafitra ny MFM

“Mila manitsy rafitra i Madagasikara raha te hanana fitoniana”, hoy ny antoko MFM. Ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpanao politika sy ny filohan’ny Repoblika no tokonana amin’izany. Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana ny firenena ny eo anivon’ ny antoko MFM, tamin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitan­tana, Randrianirina Ignace “Ramasy”. Nambarany fa anisan’ny […]

Governora: “hifanomezan-tanana Antananarivo”

Fampahatsiahivana, fanamafisana… “. Marina ny an’ny filohan’ny Repoblika hoe tsy sehatra ifankahalana sy ifandrafiana ny tanànan’Antananarivo, fa toerana tokony hifanomezan-tanana”. Io ny fanehoan-kevitry ny governora faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Tsy manala ny fahasahiranana ny korontana. […]

KMF/Cnoe : “Mila ovaina ny fomba fanaovana fifidianana”

Nitondra ny heviny amin’izao hiatrehina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina izao ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa ilaina ny fanovana manomboka izao. “Raha tiantsika ny ha­na­na fifidianana te­na demokratika, an­ja­kan’ny fahalalahan’ny rehetra na mpirotsa-kofidina na ny mpifidy: tsy maintsy manova ny fomba fanaovana fifidianana isika”. Izay ny fanambaran’ ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nanazava tamin’ny mpanao gazety ny momba ny resabe tato ho ato ireo mpitarika ny vovonana Firaisankina, teny Faravohitra, omaly. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa ny Firaisankina no tena mpanohitra eto aminy firenena. “Tsy vaky ny vovonana fa iray ihany”, hoy izy ireo, tamin’izany. Teo avokoa ireo mpitarika 5 mirahalahy mianaka. Kivy […]

Fifidianana ben’ny Tanàna : hanohana an-dRazafinjoelina Tahina ny MMM

Nivoaka amin’ny fahanginany. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), omaly, tetsy amin’ ny foiben’ny antoko, Anke­ra­na. Nambaran’izy ireo tamin’ izany fa hanohana ny kandidà ben’ny Tanàna eto Anta­na­na­rivo Renivohitra, Razafin­jo­e­lina Tahina, avy amin’ny Tia tanindrazana, izy ireo. Nitondra ny teny tamin’izany ny filoha nasionalin’ny an­toko, […]