Nampahafantatra ny fomba fiasa vaovao ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny ministra teny Iavoloha, afakomaly. Nambarany fa tokony hiaraka mandroso miaraka ireo tetikasa laharam-pahamehana. “Tsy maintsy ifarimbonan’ny governemanta iray manontolo izany ary hohafainganina. Hitondra fiovana eto amin’ny firenena izany”, hoy izy. Nangata-panazavana teny amin’ny Ceni ny filoha nasionalin’ny Tim, […]
Politika
Paikadim-pirenena : hatao isan-taona ny tomban’ezaky ny ady amin’ny kolikoly
“Hanomboka amin’ny 2025: hisy ny paikady iadiana amin’ny kolikoly, fa hisy koa ny drafitra fanatanterahana. Hisy fijerena manokana isan-taona ny hoe: inona no vita, inona no tratra, inona no mbola tsy vita? Hisy tatitra amin’ny vahoaka izay nifanarahana sy izay tena vita nandritra ny taona”, hoy ny filohan’ny Komity mitandro […]
Fihaonana an-tampon’ny frankofonia : hisokatra anio, any Paris, renivohitr’i France
Mitohy hatrany ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena isan-karazany. Manatsara ny toeran’i Madagasikara amin’ny tontolo diplomatika izany. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, Paris France, omaly maraina, ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia, andiany faha-19 izy ireo. Efa any an-toerana ny ankamaroan’ny delegasionina […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hohavaozina ny drafi-panajariana ny tany
Notanterahina tetsy Anosy, ny 1 oktobra teo, ny famelabelarana momba ny sarim-panajariana na drafi-panajariana ny tany “Plan d’aménagement”. Natokana ho an’ireo minisitera miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Nitarika izao adihevitra sy famelabelarana izao ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Randriamananjara Anjary Sandrina, ny avy amin’ny sampandraharahan’ny […]
OIF: Hisokatra rahampitso ny fihaonana an-tampony faha-19
Tanterahina ao Paris, Frantsa, ny 4 sy 5 oktobra 2024, ny fihaonana an-tampon’ny Francophonie, andiany faha-19. Miisa 88 ireo firenena sy governemanta mivondrona ao anatin’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF). Anisan’ny hiatrika izany ny fitondram-panjakana malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, miaraka amin’ny vadiny sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny […]




