Mametraka vina iraisana ny mpikambana anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana na COI. Miompana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fambolena izany. Tontosa omaly, tao amin’ ny Nosy Maorisy, ny fandraisam-pahefan-dRazafindravahy Edgard, Sekretera jeneraly vaovaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Niatrika izany ny manam-pahefana sy ireo olona manan-kaja maro, avy amin’ireo firenena mikambana eo […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
“Tsara raha dieny izao dia miezaka mampahafantatra ny tenany ireo kandidà”, hoy ny avy amin’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, ny amin’ny fifidianana kaominaly. Eny, na mbola amin’ny 19 novambra aza vao tena manomboka ny fampielezan-kevitra. Efa nipetraka ny firotsahan-kofidina, voatana ny maha kandidà: efa azo atao ny mampahafantatra […]
Loholona Andrianandrasana Tahina H.: “Tsy mila korontana intsony ny vahoaka”
“Ny zava-misy dia tsy mila korontana intsony ny vahoaka malagasy.”, hoy ny loholona Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly. Efa niainana izany, nanomboka ny taona 2018. Hatramin’izao, miditra ao anatin’ny fahamatorana demokratika i Madagasikara. Matoa ny iraisam-pirenena toy ny Sadc sy ny Firenena mikambana (ONU) mametraka […]
Diplomasia : handray ny fihaonana an-tampon’ny COI i Madagasikara
Ankoatra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, handray ny fihaonamben’ny filoham-panjakana aty amin’ny ranomasimbe Indiana na COI i Madagasikara. Handray ny toerany anio kosa ny sekretera jeneraly, Edgard Razafindravahy. Hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara, ny fiandohan’ny taona ho avy. Ho ambohi-pihaonan’ireo filoham-panjakana ny any Nosy-Be Hell […]
FANTINA sy FINTINA
Ho fanomanana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra Diana, desambra 2024, nihaona tany Antsiranana ireo tomponandraiki-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina any an-toerana, omaly. Natsangana tamin’izany ny vaomiera dimy hiandraikitra ny fanomanana rehetra. Nifarana omaly, teny Tsaralalàna, ny fivoriana faharoan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), izay […]




