Politika

Rakotondravelo Hajatiana Martin : ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Talatamaty

Tontosa omaly, teny amin’ ny biraon’ny Ovec Ambohi­dra­trimo, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidian-dRakotondravelo Hajatiana Martin. Ao amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohi­dratrimo, izy no nirotsaka ho ben’ny Tanàna, ary amin’ny alalan’ny tsy miankina. Ankoatra ny fahareseny lahatra manokana sy ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny kaominina, nanosika azy hirotsaka hofidiana koa ny fangatahan’ireo […]

Parlemantera Malagasy sy Sinoa: hivelatra ny fiaraha-miasan’ ny roa tonta

Nitsidika ny Antenimieran­doholona malagasy, eny Ano­sy, ireo delegasionina Sinoa, ahitana parlemanta avy amin’ny « Assemblée populaire de Chine », omaly. Fitsidihina tafiditra ao anatin’ny fivahinianany eto Madagasikara. An­koatra ny fitsidihina ny La­pan’ny Antenimierando­holo­na, nisy ihany koa ny tafatafa teo amin’ny tomponandraikitry ny Antenimierandoholona ma­l­a­gasy sy ireo Parlemanta Sinoa ireto. Tao anatin’izany no namelabelarana […]

Fivoriambe faha-79 ny Firenena Mikambana : niantso ny rehetra hiray hina sy hiombona i Antonio Guterres

Nifantoka kokoa tamin’ny fanentanana ireo mpitondra fanjakana hitambatra ho tombotsoan’ny taranaka ho avy sy fametrahana hoavy tsaratsara kokoa, ny lahatenin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana. Tanterahina any New York, ny 22 hatramin’ny 27 septambra 2024, ny fivoriambe faha-79 ny Firenena mikambana. Nandritra ny ka­barin’i Antonio Guterres, Se­kre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana no […]

Firotsahana Ben’ny Tanana: Mbola azo atao ny mitory

Na feno na tsia ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, mijanona anio amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana izany eny amin’ny Ovec. Ara­ka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Seheno, teny Alarobia, omaly. Aorian’izay, manana 72 ora handraisana fanapahan-kevitra ny Ovec. Aorian’izay hampahafantarina ny lisitr’ireo mirotsa-kofidina hahazoan’izy ireo manao ny ambaratongam-pitarainana amin’ny […]

Rabary Paul : “Manana kandidà ny Irmar eto Antananarivo”

“Efa samy mahalala isika… Misy paikady politika atao. Ny politika koa: jerena aloha ny ataon’ny mpifaninana amin’ny tena; avy eo, jerena ny paikady tokony hatao. Aza matahotra fa manana kandidà ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) eto Antananarivo Renivohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary […]