Politika

Ramamimampionona Gérard : “Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika”

Misy ny fanahiana korontana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao: “Tena diso na tsy araka ny tokony ho izy ny fanaovantsika politika”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo politika amin’izao fa misy ny fanahiana korontana? Ramamimampionona Gérard (-): Tena […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly, ireo talem-paritry ny fandraharahana ny fonja. Nohamafisin’ny minisitra ny vina hiaraha-miady amin’ny kolikoly. Mila hitarina ny fambolena ho ampy amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny fonja. Eo koa ny fanomanana ireo voafonja hiverina amin’ny fiarahamonina sy ny tsy hisian’ny mpamerin-keloka. […]

TI-IM : « Ny lalàna dia lalàna amin’ny fifidianana »

“Ny lalàna dia lalàna”, hoy ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraky ny Trans­parency International – Initia­tive Madagascar (TI-IM), Ran­driamampianina Mialisoa, omaly. Manoloana ny fisian’ny mpirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna mitady tsy hanara-dalàna io. Ny olana: raha arahina tsara ny fanatanterahana zotram-pifidianana, be dia be tsy manara-dalàna ireo mpirotsa-kofidina. Hitam-poko, hitam-pirenena izay. Mahita […]

Vondrona afrikanina : mijanona ho tsy mitanila, manohana ny fifidianana

Tsy mijabaka amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara ny Vondrona afrikanina. Manamafy ny fanohanany ny raharam-pifidianana izy. Mitsipaka ny fanambaran-diso niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Nanao fanambarana ny avy amin’ny Vondrona afrikanina, omaly, teny amin’ny foibeny eny Anko­rondrano. Vontoatin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny mahakasika ny fihaonana teo amin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, […]

FANTINA sy FINTINA

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, taorian’ny fananganan-tsaina teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, omaly, fa tsy misy tohanany manokana ireo mpiadina ho mpandraharahan’ny fonja. Iangaviany hanaiky izay toerana hanendrena ary hiasa izay tafita amin’izany fa tsy voatery ho eto Antananarivo. Miantso sy manentana ny tanora rehetra handray anjara […]