Ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, no nitarika ny fivoriamben’ny Firenena mikambana tany New York, ny 22 septambra teo. Taorian’ny fanokafana ny adihevitra ankapoben’ny fihaonana an-tampony momba ny hoavy izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny eto an-toerana. Fotoana manan-tantara ho an’i Madagasikara ny nanendrena azy ho filoha […]
Politika
Firotsahan-kofidina: tsy misy 48 ora hamenoana ny banga aorian’ny 26 septambra
Hikatona rahafakampitso ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ben’ny Tanàna. Tsy misy intsony ny indrafo aorian’izay ho an’izay tara. “Io 26 septambra io no farany. Izay hatrany no mahatonga anay manentana hoe aza miandry farany fa alefaso aloha… Raha vao tonga ny 26 septambra, tsy misy intsony ny fanomezana 48 ora.” […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, ny faramparan’ny herinandro teo, ny tala jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Nambaran’ny Praiministra fa nandroso ny ady amin’ny kolikoly teto Madagasikara nanomboka ny taona 2019 noho ny fanamafisan’ny lalàna sy ireo rafi-pitsarana iadiana amin’izany. Nitsidika ny fitsarana ambaratonga voalohany, Moramanga, ny minisitry […]
Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy misy tombontsoa azo amin’ny korontana”
“Marina tokoa fa hiatrika fotoan-dehibe isika amin’ny 11 desambra ho avy izao amin’ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Ny zava-dehibe ao anatin’izany dia ny hisian’ny filaminana hatrany. Tsy misy tombontsoa azo amin’ny korontana”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny mpanao gazety tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny […]
Fitantanana sy fampandrosoana : mampitovy fijery ireo sekretera jeneralin’ny minisitera
Nitondra ny heviny ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Primatiora momba ny fitantanan-draharaham-pirenena. Mila mampitovy fijery ireo sekretera jeneraly, araka ny fanazavany. «Atao izao fivoriana izao mba hahazoana mampitovy ny fomba fijery sy mifanakalo hevitra amin’ny hanatsarana ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny, indrindra ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika». Izany ny […]




