Neken’ny governemanta ny fangatahana avy amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ny amin’ny fanemorana ny daty fara-fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofodina ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Ny filankevitry ny governemanta natao ny talata 17 septambra 2024, teny Mahazoarivo, no nandraisana ny didim-panjakana manova ny didim-panjakana laharana 2024 – 1495, ny 6 […]
Politika
Madagasikara-Vondrona eoropeanina : manomboka pejy vaovao!
Mandray fiaingana vaovao ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina. Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ny ambasadaoro Roland Kobia. Misy ny fahavononana hametraka pejy vaovao indray eo amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina (UE), araka ny nambaran’ny ambasadaoro vaovaony, i Roland Kobia, teny Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorana […]
fanapahan’ny ovec: nohamafisin’ny Ceni
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foibe toerany, teny Alarobia, ny avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly. Ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina no noresahiny tamin’izany. Anisan’ny nisongadina ny fanamafisan’ny Ceni ny fanapahan-kevitry ny Ovec mahakasika ny fandavan’ity rantsamangaikan’ny Ceni ity ny […]
Depiote Imbiki Herilaza: “Tsara ny fanemorana ny firotsahan-kofidina”
Tsara ny fanemorana ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, raha ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Herilaza, omaly, manoloana ny hiafaran’izany eny anivon’ny Ovec, anio. Nohalavaina hatramin’ny 26 septambra izany, araka ny tolo-kevitry ny Ceni. Ny vahoaka no tokony hahay ny olona hofidiny […]
Rakotoson Andriamiraho Hoby :”Mila hamoraina ny fanomezana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina”
Mahabe resaka amin’izao fifidianana kaominaly izao ny fikarakarana antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Hanao ahoana hatramin’ny fotoana farany? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaoisamonina sivily miantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny fikambanana ny Angady, Rakotoson Andriamiraho Hoby: “Entanina koa ireo mpikarakara fifidianana hanamora ny fanomezana ireo taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina.” Dinidinika… Gazety Taratra […]




