Politika

Ambohidratrimo : nandrotsaka kandidà ny Zam

Nanatitra ny antontan-taratasiny teny amin’ny biraon’ny Ovec Ambohidratrimo, omaly maraina, ny kandidà tsy miankina, Rabary Hery, filohan’ny Zanak’Ambohidratrimo miray (Zam). Izy no voalohany fantatra fa hilatsaka ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nilaza ny filohan’ny Ovec eny an-toerana, fa mitazona ny datin’ny 19 septambra ny Ceni Ambohidratrimo hatreto. Nambaran’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tetsy Anosy, omaly, ny ambasadaoron’ny Repoblika arabon’i Egypta, Rabab Saïd Abdou Abdelhadi. Voaresaka tamin’izany ny amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Eo koa ny amin’ny fifanohanana amin’ny fifidianana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay andraisana anjara. Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara […]

« Africa 50 » : hahazo tombony manokana i Madagasikara

Hotanterahina ny 19 sy 20 septambra 2024, eny amin’ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny fivoriamben’ny “Africa 50”. Fire­nena 31, avy eto Afrika, miaraka amin’ireo mpamatsy vola sy mpanatanteraka tetikasa ary mpanapa-kevitra, eo amin’ny sehatra maro no handray anjara amin’izany. Mandritra ity fivoriana iraisam-pirenena ity no hihaonan’ny tolotra sy […]

Frantsa – Madagasikara: nitsidika ny filoha Rajoelina ny vondron’ny loholona frantsay

Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara, amin’ireo firenena any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany izao fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo loholona frantsay, omaly, izao. Nihaona sy nifampidinika tamin’ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina An­dry, teny amin’ny Lapam-panjakana, Ambohitsorohitra, omaly, ny vondron’ny loholona frantsay. Voaresaka tamin’izany ny sehatra marolafy amin’ny fifanohanana eo amin’i […]

Firotsahan-kofidina : nahemotry ny Ceni hatramin’ny 26 septambra

“Nahatonga ny fisainana hoe tokony hohalavaina ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina eny anivon’ny Ovec ny fahavitsian’ireo nametraka izany.” Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andria­maro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Nahemotra hatramin’ny 26 septambra izany, araka ny tolo-kevitry ny […]