Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny fanolorana mari-pankasitrahana an’i Jorge Campins Figueras, Consul honoraire an’ny Repoblikan’i Madagasikara any Barcelone. Ny andraikitra nosahaniny izay nisy akony lehibe tamin’ny fampivoarana sehatra maro teto Madagasikara. Nanamafy ny hanohizana hatrany ny fidinana ifotony ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly, nandritra […]
Politika
Antananarivo Renivohitra : ny PDS teo aloha no saika ho kandidà
“Raha ny hitsiny sy ny rariny, izy no tokony ho natolotsika ho kandidà ben’ny Tanànan’ Antananarivo.” Io ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tamin’ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakan’ny loholona teo aloha sady PDS Antananarivo Renivohitra teo aloha, Ramanambitana Richard, teny amin’ ny Lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly. Olona nametrahany ny […]
Ravalomanana Marc : tsy misy idiran’ny fanjakana ny tsy fahazoany mirotsaka
Tsy misy ambadika politika fa olana amin’ny antontan-taratasy no sakana ho an’ny Kandidan’ny Tim, Ravalomanana Marc. Tsy misy idiran’ny fanjakana izany. Mila manara-dalàna ny rehetra, hoy Rakotondrazafy Lalatiana. Terena ho misy antony politika ny tsy fahazoan’ ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, mirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna. Ny tsy fahafenoan’ny antontan-taratasy […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsidika an’i Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, nihaona tamin’ireo manampahefana sy olom-boafidy izy. Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Atitany: lehiben’ny distrika, lehiben’ny boriborintany… Nisy toromarika nomena ho amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fitantanana lafin-tany, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana. Nilaza ny filohan’ny antoko […]
Depiote Rajerison Antoine: “Aleo handeha fa aza ahemotra ny fifidianana”
“Mbola miteny izahay ary mangataka hoe alefaso ny fifidianana filoham-pokontany, ary aleo handeha ny fifidianana ben’ny Tanàna fa aza ahemotra. Tsy tokony hahemotra intsony io, fa tokony hapetraka sy halamina izay rehetra misy olana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, […]




