Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Miditra amin’ny dingana faharoa ny fandaharanasa Padeve, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahafaha-miatrika ny loza voanajahary ka hanamboarana “Drain” ao Morafeno sy Ambohimahatsinjo. Nivoitra izany tamin’ny filankevitry ny minisitra tany Nosy Be. Miroso avokoa ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eny […]
Fandraharahana “Business Forum”: Hihazo an’i Dubaï ny filoha Rajoelina Andry
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy amin’ity volana mey ity ny masoivohon’i Madagasikara any Emirats Arabo. Hiara-dalana amin’izany koa ilay hetsika « Dubaï Business Forum » tanterahina any amin’ity firenena ity. Hanomboka ny 27 hatramin’ny 29 mey izao izany ka anisan’ny mpandray anjara amin’izany i Madagasikara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry […]
Filankevitry ny minisitra : Maromaro ireo miaramila nesorina amin’ny toerany
Nirarakompana ny fanalana amin’ny toerany ireo tomponandraikitra ara-miaramila eo anivon’ny hopitaly Soavinandriana (CenHoSoa). Niainga amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra, natao tany Nosy Be, afakomaly, izany. Nivoitra tamin’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Miisa valo be izao ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ity hopitaly miaramila […]
FANTINA sy FINTINA
Hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny filaminana. Tsy nambaran’izy ireo kosa anefa ny isan’izany, noho ny lafiny stratejia. Ankoatra izany, hanao fanamiana vaovao ireo handray anjara amin’ny matso ny 26 jona io. Hanam-bahiny, filoham-panjakana sy minisitry ny […]