Politika

Fitaterana : Ho hentitra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana

Ialohavan’ny fanentanana ny sazy, araka ny fanamba­rana sy fampahafantarana. Nampitovy tadin-dokanga eo amin’ny fanajana ny lalàn’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ireo tomponandraikitra misa­hana izany. Handray fepetra hentitra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ireo rantsamangaikany, ahitana ny avy amin’ ny Antokondraharaha momba ny fitaterana an-tanety sy ny avy amin’ny DSPAR. Mana­mpy azy […]

Antenimierampirenena : Notsidihin’ny delegasionina frantsay

Nanatanteraka fitsidi­hana ara-pomba fifanajana teny amin’ny An­tenimierampirenena, Tsimba­zaza, ny delegasionin’ny An­teni­mierampirenena frantsay, notarihan’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny, i Bruno Fuchs, afakomaly. Niara-dalana taminy ny mpanolotsaina ara-diplaomatika sy ny tomponandraikitra am­bony ao amin’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara. Ny fifandraisan’i Madagasi­kara sy i Frantsa no tena niompanan’ny fihaonana. Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Ran­dri­ana­soloniaiko Siteny, […]

FANTINA sy FINTINA

Handray ny fitantanana ny SADC, manomboka izao, i Zambia, taorian’ny nisahanan’i Afrika Atsimo izany, nanomboka ny novambra 2025. Tsiahivina fa ny filoha afrikanina Tatsimo, Cyril Ramaphosa, no nitantana vonjimaika ity vondrona ity amin’izao fihaonana an-tampony faha-46 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena teto amintsika. Azo atao ny manome fahefana ny eny ifotony […]

Depiote Rakotoniaina Pety: “Izao no ahazoana manadihady ny Jirama”

“Izao fitondrana izao no ahazoan-dry zareo manao fanadihadiana parlemantera”, hoy ny filohan’ny vaomiera fanadihadiana parlemantera, ny depiote tsy miankina voa­fidy tany Ikalamavony, Matsia­tra Ambony, Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fitakiana ny handravana ny Antenimieram­pirenena. Toy ny olona miasa ho an’ny fahavalom-pirenena izay mitaky ny fandravana ny Antenimierampirenena tsy […]

Fiaraha-miasa : Nanome lesona momba ny fifidianana i Turquie

Nampahafantatra ny traikefa ananan’ny fireneny momba ny fifidianana ny ambasadaoron’i Turquie. Nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, tetsy Antaninarenina, omaly, no nitondrany izany. Nandray ny ambasadaoron’i Turquie, Halime Ebru Demircan, tetsy amin’ny birao fiasany, etsy Antaninarenina, ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Ha­nitra, omaly. Anisan’ny […]