Politika

Fahatsiarova ny 11 oktobra : 40 tapitrisa Ar ho an’ny fianakavian’ilay kaporaly maty

Notanterahina tany Brickaville, ny fitokanana ny tsangambato ho fahatsiarovana ny Kaporaly Ramananjanahary Stefano Jacquis. Miaramila voatifitra nadritra ny hetsika Gen Z 2025 ka nidiran’ny miaramila an-tsehatra. Nomen’ny fanjakana fanampiana 40 tapitrisa Ar ny fianakaviany. Notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repo­blikan’i Madaga­sikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Ambalana­kondro, Brickaville, Faritra Atsinanana, omaly, […]

Andrianirina Fetison: « Natao hanarina ny anton’ny krizy ny fanavaozana »

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nambarany fa mendrika sy ankasitrahina ny nanaovan’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, tatitra mivantana amin’ny vahoaka momba ny asa vita, ny vokatra azo ary ny mbola tokony hatao. Tamberin’ andraikitra izany: mitantana, manatanteraka ary […]

Filohan’ny Fanavaozana: “Mahatantesa fiovana isika”

Maika amin’ny fanovana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. « Mahatantesa fiovana isika », hoy izy tetsy Anosy, omaly. “Mahatantesa fiovana isika”, hoy ny filohan’ny Fanavaoza­na, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Anosy, omaly, ny nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana vaovao ara-kajy mirindra hiadiana amin’ny kolikoly atao hoe: “Torohy”, […]

Depiote Rajerison Antoine: “Manjavozavo ny ataon’ny fitondrana”

“Herintaona izay isika no tao anatin’izao fitondrana Fa­navaozana izao, tsy mbola fantatra mazava hoe: haharitra firy taona izay Tetezamita izay? Tsy mbola hita soritra mazava izay hatao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fiovana ivoaran’ny eny ifotony (Fivoi), Rajerison Antoine, momba ny raharaham-pirenena. Raha nandray fahefana […]

Fiaraha-miasa iraisam-pirenena: mitaky ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra ny OGP

Hitohy anio, etsy Ankerana, ny atrikasa handrafetana ny drafitrasa nasionaly momba ny fiaraha-miombon’antoka ho an’ny governemanta (OGP). Mitaky fepetra maromaro ny fanatanterahana izany. Nasongadin’ny minisitra misahana ny Fanavao­zana, ny Me Razafima­nantsoa Hanitra, ny maha zava-dehibe ny fifanarahana ara-moraly amin’ny famere­nana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitantanana. Nian­tsony ny tsirairay izany mba […]