Politika

Vahoaka miray : “Mila hajaina ny fahalalahana maneho hevitra”

Mbola mahabe resaka… “Lalàna mipetraka ve hora­van’ny fanambarana? Satria ny lalàna momba ny antoko politika no manome alalana anay antoko politika hiresaka sy hanao tatitra ary ny adidin’ olom-pirenena amin’ny mpiara-dia aminay. Lalàna apetraky ny minisiteran’ny Atitany izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, ny […]

Lisitry ny mpifidy : miisa 66 313 ny anarana miverimberina

Nofaranana vonjimaika eny anivon’ny distrika, omaly, ny lisitry ny mpifidy. Araka ny fitsirihana natao, mahatratra 66 313 ny anarana miverimberina. Mbola azo atao tsara ny fanitsiana… Miisa 10 069 136 ny olom-pirenena voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, talohan’ny fa­nontana azy amin’ny fanakatonana vonjimaika eny ani­von’ny distrika, omaly. Maha­tratra 66 313 ny […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tsy handrosoana ny baranahiny

Tsy nitsisy teny fa nahitsy… “Lazaina ny zava-misy fa tsy handroso mihitsy isika raha tsy miova ny toe-tsaina baranahiny, ny tsy firaharahana ny soa iombonana, ny fihatsarambelatsihy. Ny vola no mibaiko ny rehetra dia ny fisian’ny kolikoly”, hoy ny hafatry ny Arsevekan’ny diosezin’i Toamasina sady filohan’ny Fivondronamben’ny evekana eto Madagasikara, […]

Mpiasam-panjakana eny ifotony: “Ilaina ny matihanina sy niofana ary itokisana”, hoy ny MMM

Nitohy tany Antsohihy, ny faran’ny herinandro teo, ny famelabelarana nataon’ny an­toko Malagasy miara-miainga, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Ha­jo. Voaresaka ny momba ny mpiasam-bahoaka miasa eny ifotony. Nambarany fa voalazan’ny Lalàmpanorenana ny mpiasam-panjakana miasa ho amin’ny fampivoarana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. “Ilaina ny fametrahana izany. Tokony atokisana ireo tomponandraiki-panjakana manomboka eny anivon’ny […]

Fitsirihana ny lisitry ny mpifidy : manana 20 andro ny olom-pirenena

“Amin’ny fotoana hahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny amin’ny fokontany no hanaovan’ny olom-pirenena fitsirihana azy, ary manana 20 andro izy amin’izany. Ao anatin’izay fe-potoana izay no hanaovana fanamarihana, fitarainana… Mila manatona biraom-pokontany ny olom-pirenena amin’izany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy izay […]