Politika

HCC : Nosoloina ireo depiote voatendry minisitra

Nambaran’ny HCC, tamin’ny fanapahana N° 37- HCC/AR, ny 3 septambra, fa azo raisina sy mitombina ny fakan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fisian’ny fahabangan-toeran’ny depiote eny anivon’ny Antenimierampirenena, no­ho ny fisian’ireo depiote voatendry ho minisitra. Eo ny depiote isany Ra­zafinjato Aurélie Marie Au­gustine voafidy tany Vo­hibato, Sahondra­rimalala Ma­rie Mi­chelle voafidy […]

Minisitry ny Fitsarana: « Ilaina fiaraha-mientana ny ady amin’ny kolikoly »

Nisy ny fihaonana teo amin’­ny mpitahiry ny Fitombo­kasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotoman­dimby Benjamin, sy ireo filoha sy tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Am­baratonga voalohany sy ny Fi­tsarana ara-bola, manodidina an’Antananarivo. Teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra, omaly, no nanatanterahina izany fihaonana izany. Anisan’ny nisongadina nandritra izany ny fanentanan’ny […]

Andriamanana Nivoarivony : « Aoka izay ny tsindry fa avelao hifidy malalaka ny olom-pirenena »

Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ ny fiarahamonina sivily, Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’izao? Andriamanana Nivoarivony (-) : Manentana faran’izay azo atao ny olom-pirenena handray anjara, indrindra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazahoana alalana ny hanapahana ireo hazo lehibe manamoron’Andasibe, taorian’ny fianje­ran’ny hazo tamin’ny fiara nitondra mpizahatany, ka naharatran’ny mpandeha tao anatiny. Ny fikambanana Mitsinjo, ny Jirama ary ny kaominina Andasibe no nanao ny fangatahana tamin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Alaotra Mangoro. Hatolotra ny kaomi­nina hanaovana sy hanarenana fotodrafitrasa samihafa ireo […]

Fikaonandoha Indonezia-Afrika 2024 : fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Indonezia

Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indonezianina i Madagasikara. Hiompana amin’ny fampivelarana ny maha olona, ny fampirobo­roboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana izany. Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha Indonezia-Afrika (IAF) 2024, andiany faharoa ity ny minisitry ny Fambiro­bo­roboana ny Indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Nasongadiny tamin’ny […]