Politika

« Autoroute » : mety handalo an’Andaingo ny soritra Anjozorobe-Toamasina

Mandeha ny asa fanamboarana ny arabe migodana « autoroute », ampahany Antananarivo-Anjozorobe. Efa tsinjo ny soritra amin’ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina. Mahatratra 30 km ny lalana vita ravona amin’ny ampahany voalohany, amin’ny arabe migodana « autoroute », mi­ainga eto Antananarivo mankany Anjozorobe mirefy 80 km. Nidina teny an-toerana ny mi­nisitry ny Asa Vaventy […]

Antoko Ilo Mada : « Mety ny PDS no ho kandidà ben’ny Tanàna »

“Mpandraharaha ny fahafantarako an-dRtoa Rama­nantsoa Harilala, tsy ao anatin’ny antoko na vondrona antoko. Raha izay izany no hanomanan-dry zareo eo amin’ny fitondrana ny sain’ny mponin’ Antananarivo, na anoman-dry zareo ny sain’ny Irmar na ny TGV: matoa apetraka, toy ny mizotra mankany… ” Io ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny antoko Ilo Mada, […]

PDS Antananarivo : nihaona tamin’ny mpandresin’ny « Econnect »

Mitombo hatrany ireo tetikasa entina manatsara ny fiainana andavanandron’ny mponina eto Antananarivo. Anisan’izany ny tetikasa “Econnect”, izay mitondra fanatsarana amin’ny sehatra maro ho an’ny mpiara-belona. Nihaona tamin’ny filohan’ ny Delegasionina ma­no­kan’ny tanànan’Anta­nanarivo, Ramanantsoa Hari­lala, ireo tomponandraikitry ny tetikasa miisa efatra, voafantina tao anatin’ny «Econnect». Tao anatin’izany no nanamafisana ny fiaraha-miasa […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo handray anjara amin’ny fihaonambe “Sommet du forum sur la coopération Sino-Africaine – Focac”, hanomboka anio, any Pekin, ny filoha Rajoelina Andry. Efa manomana izany any an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny minisitry ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Hanambara ny maha kandidà ben’ny Tanàna azy, Ravalomanana Marc, […]

Drafitry ny fitsinjaram-pahefana : hamorain’ny MFFT ny fanorenana fotodrafitrasa

Nisongadina tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, tany atsimon’ny Nosy, ny fampahatsiahivana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Namba­rany fa manamafy ny ezaka efa natomboka ho amin’izany ny eo anivon’ny MFFT ho fanantaterahana ireo fandaharanasa amin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo. Tafiditra ao […]