Politika

Etazonia sy Madagasikara : mafy orina ny fiaraha-miasa ara-tafika

Nanamafy ny endri-piaraha-miasa sy ny fomba entina hanatsarana ny fiaraha-miasa efa misy hatramin’izay eo amin’ny Tafika Malagasy ny Amerikanina, nandritra ny fihaonana teo amin’ny ma­soivoho amerikanina, Claire Pierangelo sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nambaran’ny MDN fa ma­totra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa […]

Fihaonambe hotarihin’ny FFKM: “Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana”

Nohamafisin’ireo filoham-piangonana indray… Hiroso any amin’ny fihaonambe hamoriana ireo zanany ny eo anivon’ny FFKM. Mirona any amin’ny “Ady gasy” izy ireo amin’izany. “Irin’ny FFKM ary efa antso nataony ny hi­sian’ny fihaonana eo amintsika samy Malagasy. Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana malagasy amin’ny olantsika. Iombonana ity firenena […]

Tanàna amin’ny RN4 : nanentana ny mpifidy hisoratra anarana Ravalomanana

Nanentana ireo olom-pirenena mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny filoha nasionalin’ny Tim, Rava­lomanana, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny ta­min’ny RN4, Mahitsy, Soa­niadanana, Ankazobe iny. Notsiahiviny fa mbola ambany ny tahan’ny fisoratana ho an’ny any amin’ny faritr’i Vonizongo iny ka nanentanany ny rehetra handeha any amin’ny fokontany. “Hama­rino ny anarantsika”, hoy […]

Rakotoarijaona Jerry: “Fitondrana Tetezamita no tadiavin’ny sasany amin’ny fikaonandoham-pirenena”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena ny mpanohitra sasany. Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry: “Ny tadiavin’ny sasany atao: ny fisian’ny manam-bintana mankamina fitondrana Tetezamita hahazoan-toerana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? Rakotoarijaona Jerry […]