Politika

Miisa 11 ireo minisitra tsy voatendry intsony

Miisa 11 kosa ireo minisitra nisaorana na koa nesorina amin’ny toerany. Eo ny minisitry ny Fitsarana, Ramanan­tenasoa Landy Mbolatiana, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, lasa filohan’ny Anteni­mierampirenena. Tsy voatendry intsony koa ny minisitry ny Indostria sy ny varotra, Razafin­­dravahy Edgard, lasa filohan’ny COI, sy ny minisitry ny Fampianarana […]

Governemanta vaovao: zara mira ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy

Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana mandrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. 50 % tamin’ny olom-boatendry no vehivavy. Olom-baovao ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­mandimby Benjamin. Ny minisitry ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Nirintsoa. Hisa­hana ny minisiteran’ny Fampi­anarana ambony, i Chaminah Loulla. Olom-baovao koa ny misahana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison […]

Raharimanana Patrick: ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Mahajanga

Nanaitra ny maro ny fanehoan-kevitr’ i Patrick Rahari­ma­nana, omaly, tao amin’ny tambajotra sosialy, nanambara ny filatsahany hofidiana ho ben’ny Tanànan’i Mahajanga, amin’io fifidianana ho avy io. « Ho ataontsika modely amin’ny fampandrosoana eny ifotony i Mahajanga I … », hoy izy tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany. Nisy ihany koa ny filazalazany ireo tetikasany maro […]

SNLCC vaovao: Efa manomboka ny famolavolana

Ny faritanin’i Mahajanga no nanombohana ny fanaovana ny dinika isam-paritra hamolavolana ny “Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption” (SNLCC). Nifara­na omaly ny fikaonandoha, ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Dinika nandraisan’ireo tomponandraikitra anjara mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ao an-toerana. Raha tsiahivina, dingana voalohany ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025. Dingana faharoa […]

Antoko HVM: handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina

Velona ary mbola vonona hifaninana handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny antoko HVM. Na eo aza ny fiarahana amin’ny vovonana Firaisankina. Angatahan’ny antoko ny hisian’ny olony ho ao anaty lisitra. Nanao fanambarana ny avy eo amin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tamin’ny alalan-dRakotovao Rivo, mpan­dridra […]