Politika

Isandra : hijery ny sosialy ny depiote Raoto

Tontosa ny faran’ny herinadro teo, teo amin’ny kaominina Anjomanitsara, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny depioten’ny distrikan’Isandra, Raoto Ralambozafy. Namba­rany fa hifototra amin’ny andry dimy ny fampandrosoana any an-toerana: ny fampianarana, ny fandrimpahalemana, ny fa­hasalamana sy ny fambolena ary ny fiompiana. “Faritra mena ny aty Isandra teo aloha fa efa fongotra ny […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Mody mihavana isika raha miaina tsy fahamarinana”

Nanafatrafatra ny rehetra ny eo anivon’ny fiangonana Katolika, tamin’ny alalan’ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tany Antsiranana. Voaresaka ankolaka ny momba ny raharaham-pirenena. “Lasa mody mihavana isika raha miaina ao anatin’ny tsy fahamarinana, manambaka ny hafa, manao tsindrihazolena. Lasa mody mihavana isika raha mbola miaina ny fanavakavahana”. Io ny hafatry ny arsevekan’i […]

FANTINA sy FINTINA

Nanolotra antsam-piderana ho an’ny any Mahajanga ny filoha, Rajoelina Andry, mivady ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny famaliana ny hetahetan’ireo mpanakanto ara-pilazantsara nandritra ny antsam-piderana ho an’ny firenena natao ny 23 jona lasa teo, tao amin’ny kianjan’i Mahamasina, izany. Hitohy amin’ny faritra hafa koa aoriana. Namaritra ireo paikady hiadiana amin’ny […]

Depiote mpanohitra : «Hanara-maso hentitra ny asan’ny fanjakana izahay»

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy tany Betafo ny samboadin’ny depiote, avy amin’ny mpanohitra. Nana­mafy ny maha hery mpanara-maso azy izy ireo. Nahitsy ny lahatenin’ny filoha lefitry ny Antenimie­rampirenena sady lehiben’ny mpanohitra, Randrianasolo­niaiko Siteny, tany Betafo, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy hikoso-maso isika amin’ny fanaraha-maso hentitra ny asan’ny fanjakana”, hoy izy. Nohamafisiny […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: PDS vaovao Ramanantsoa Harilala

Nametra-pialana ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard. Nasolo azy, mandray ny asany avy hatrany Ramanantsoa Harilala. Tsy afaka miandry ny raharaham-panjakana! Notendrena omaly, ny filohan’ny delegasiona manokana vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ra­manantsoa Harilala. Nan­dimby an-dRamanambitana Richard izy, izay nametra-pialana noho ny antony ara-pahasalamana. Mandray ny asany avy […]