Hentitra ny Praiministra Ntsay Christian, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Notsindriny mafy ny momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. “Nisy ny fivorian’ny OMC nasionaly, nijery manokana ny momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy ny manodidina.” hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny amin’ny fivorian’ny […]
Politika
Lalana RN7 : Miroso ny asa fikojakojana
Notanterahina omaly ny fihaonana isam-bolana eo amin’ny mpanao gazety sy ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ny nitondra fanazavana ny talem-paritry ny Asa vaventy, Raselison Arséne. “Miroso ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)”, hoy izy. Eo koa ny fanamboarana ny lalana eo Antsirabe sy ny ao Ambatolampy. Nohazavainy ireo lalana […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Lonilony politika ny fanoherana ny Base Toliara”
Nitondra fanazavana sy ny fahitany ny firosoan’ny tetikasa Base Toliara ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nohitsiny tamin’izany ny avy amin’ny mpanohitra. “Lonilony politika sy alahelon-tseza ary fitadiavana tombontsoa manokana no ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. An’ny kaominina dimy voakasik’io tetikasa io, vahoaka atao hoe 90 % dia manohana ary […]
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana samboady, omaly, ireo ben’ny Tanàna miisa 14 voafidy tao amin’ny distrikan’i Mananjary, 28 avy amin’ny distrikan’i Ifanadiana ary 19 avy amin’ny distrikan’i Nosy Varika. Notanterahina teo an-tampo-tanànan’i Mananjary ny lanonana. Tonga nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, sy ny loholona Rabemananjara Nicolas. Nankatoavin’ny Rafitra ifotony fikaonandoha “SLC-R” ireo […]
Fihaonan’ny praiminisitra tamin’ny FMI: Nojerena ny fampandrosoana mipaka eny ifotony
Noraisin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny delegasiaonina mamita iraka eto Madagasikara avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Mitarika izany Constant Lonkeg, niaraka amin’ny solontena maharitra, miasa sy monina eto amintsika, Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Anisan’ny nifantohan’ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta ny momba ireo ezaka rehetra irosoana amin’ny fanatanterahana ny […]