Nikarakara hetsika lehibe ny eo anivon’ny Banky BNI omaly, tetsy Ambodivona. Nanasan’izy ireo ny tanora mendrika indrindra teo amin’ny fandraharahana tao anatin’ny taona maro izany. Anisan’ny voaasa tamin’izao fihaonana izao ny filoha teo aloha, i Andry Rajoelina. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ity ny fihaonan’ireo tanora rehetra mendrika sy nahomby teo […]
Politika
Fikaroham-bahaolana notarihin’ny FFKM: tsy anisan’ireo nandray anjara ny kandidà n°3
Notanterahina, omaly, tetsy Ampandrana ny fampihaonan’ny FFKM ireo kandidà miisa 13. Nitondra fanazavana momba ny tsy fandraisana anjara, ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Nambaran’ny solontenan’ny kandidà Rajoelina Andry, tamin’ny alalan’Andriamananoro Augustin, fa efa tao anaty laminasa amin’izao dinika fikaroham-bahaolana izao ny fahafahana mandefa solontena amin’ny fampihaonan’ny FFKM. Niditra minitra […]
Minisitra Ravokatra Fidiniavo: « Mitady fifidianana ny vahoaka… »
“Ho anareo kandidà rehetra efa vonona ho amin’ny fifidianana, efa nanaiky ny fandaminana rehetra ary efa nahazo ny laharana misy anareo tsirairay avy ianareo: miomana amin’ny fanazaran-tena ary miakara eny ambony kianja, miroso amin’ny fifidianana. Mitady fifidianana ny vahoaka, tsy mihemotra amin’ny fifidianana”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Rano […]
Raharaham-pifidianana: hiditra an-tsehatra ny Firenena mikambana
Higadona anio, eto Madagasikara, ny iraky ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny fanaovana tombana ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny hihaona amin’ireto iraka, araka ny toromariky ny any New York, ireto ny filoham-panjakana misolo toerana, amin’ny alalan’ny governemanta ifarimbonana. Eo koa ny mpikamban’ny HCC sy ny eo anivon’ny […]
Tambajotra Wipwork : hanamorana ny fitadiavana asa
Nampahafantarina, omaly, tetsy Ampefiloha ny fisian’ny tambajotra nomerika “Wipwork”. Sehatra hifandraisana mivantana, tsy misy mpanelanelana eo amin’ny orinasa sy ny tanora mitady asa. Nanatanteraka ny soniam-piaraha-miasa nandritra izany, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa (METFP) sy ny eo anivon’ny World Internediation platform (Wipwork). Tanjona ny hanampiana ireo tanora amin’ny […]




