Politika

Andriantsizehena Benja Urbain: “Tokony hofoanana ny kandidà tsy miankina”

“Tena hamafisina: tokony hofoanana ny kandidà tsy miankina amin’ny fifidianana. Manomboka any amin’ny fokontany sy ny kaominina ary ny fifidianana solombavambahoaka izay”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, ny amin’ny hiatrehana fifidianana manaraka eo. Tsy voafehy ny olom-boafidy avy amin’ny tsy miankina. Eo koa ny fiovaovan’ny […]

Fiaraha-miasa amin’ny Rosianina : Nanamafy ny traikefa ny vondron-kery eny Mahazoarivo

Nifarana omaly ny fiofanan’ireo folo mirahalahy eo anivon’ny vondron-kery eny amin’ny Primatiora (BSP) Mahazoarivo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Rosianina izany. Nambaran’ny Praimi­ni­sitra Rajaona­rison Ma­mi­tiana fa ma­me­traka ho zava-dehibe ny fanofanana hanatevenana traikefa sy ny fampitaovana ireo miaramila sy zandary ary polisy eo anivon’ny BSP ny tenany. Ni­tondra ny traikefany […]

FANTINA sy FINTINA

Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandro amin’ny fikaonandoham-pirenena, raha tsy misy ny fiovana. Hitarika izany ny eo anivon’ny FFKM ary efa eo am-panomanana izany ireo tomponandraikitra rehetra, raha ny loharanom-baovao. Hanombohana izany ny fakan-kevitra momba ny fanatsarana ny fifidianana sy ny fanovana ireo rafitra tsy nahomby. Nitondra am-bavaka ireo zanany […]

Fanavaozana lisi-pifidianana : Raikitra ny fanendrena mpanisa mpifidy

Manohy ny asany ny Ceni; eny, na misy aza, ohatra, ny antoko politika na fiarahamonina sivily mitaky hatrany ny handravana azy aloha. Tsy fantatra raha ho voatana amin’ny fikaonandoham-pirenena, amin’ny fikarakarana fifidianana ihany io rafitra io, na hiverina amin’ny minisiteran’ny Atitany izany. Amin’izao, an-dalana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny […]

Fitakiana ny « Iles éparses » : Manamafy ny fanohanany an’i Madagasikara i Rosia

Nankalaza ny andron’i Rosia ny teto Madagasikara, omaly. Nisongadina tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny fanamafisan’i Rosia ny fanohanany an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro. Anisan’izany ny fitakiana ny « Iles éparses ». Toy ny fanao isan-taona, notanterahina teny amin’ny foiben’ny masoivohon’ny Rosia eto Madaga­sikara, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny fetim-pirenen’izy ireo. Nitarika ny fotoana […]