Politika

FANTINA sy FINTINA

Mikasa ny hitondra fanitsiana maromaro amin’ny tetibolam-panjakana ny depiote. Efa ao anatin’ny asam-baomiera izany izao ka anisan’ny hojerena ny momba ny fotodrafitrasa, ny fanohanana sosialy, ny hampiakarana ny tetibolan’ny minisitera. Eo koa ny tambin-karaman’ireo mpiasam-panjakana sy ny vatsim-pianarana ary ny vondrom-bahoakam-paritra. Nanambara ny depiote Rafidimanana Desiré (TMH) fa ho eo […]

Ady any Ukraine : Misy fiantraikany amin’ny kaontinanta afrikanina

Mitarazoka ny ady ifanaovan’i Rosia sy Ukraine. Ani­san’ny mahatonga izany ny finiavan’ny mpitondra any amin’ity firenena farany ity hampitarazoka ny ady. Miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena maro aty Afrika izany, toy ny lafiny toekarena, ny filaminana ara-tsakafo, ny resaka jeopolitika. Fositra mahatonga izany ny fifikiran’ny mpitondra okrainianina amin’ny toerany. Ny […]

Tolo-kevitra amin’ny fikaonandoha : Mitaky ny fizakan-tenan’ireo faritra 24 ny MMM

Nitohy tany amin’ny faritra Diana indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra soso-kevitra maromaro hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, tamin’izany. Nambaran’ny birao politika, i Volahaingo Marie Thérèse, fa hanolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo aorian’izao fidinana ifotony eny anivon’ny faritra izao. Nandray ireo soso-kevitra avy amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia. Hentitra ny teniny. « Hadisoana lehibe ny tsy nandraisana fanapahan-kevitra nandravana ireo An­drim­panja­kana tsy nahomby, notakina teny an-kianja », hoy ity mpitarika ny KFIM ity. Nanatanteraka famorana faobe tao Anka­di­nandriana ny Malagasy miara-miainga, omaly. Mpitsabo mpikambana ao anatin’ny antoko ihany […]

Sehatra ifampidinihana : Miantso ny rehetra tsy hifanome tsiny ny Ceni

Efa nidina ifotony avy hatrany ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni, andro vitsy taorian’ny fahavitan’ny atrikasa savaranonando momba ny fifidianana, natao teny Ivato. Nametraka ny sehatra ifampidinihana maharitra eo anivon’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana izy ireo. Anisan’izany ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, tanora, mpitondra fanjakana, fiangoanana, vehivavy, ireo olona […]