Nandray anjara tamin’ny filankevitry ny minisitra faha-40, nataon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) tatsy Moroni, Kaomoro, omaly, i Madagasikara. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Anisan’ny nodinihina tamin’izany ny fiarovana an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fandriampahalemana ara-tsakafo. Taorian’ny […]
Politika
Fanisana mpifidy eny ifotony : “Ny 15 jona hatramin’ny 20 jolay”, hoy ny Ceni
“Ny fotoana tsara ho fantatra, manomboka amin’ny 15 jona ary hifarana ny 20 jolay ho avy izao ny fanendrena ireo mpikambana amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE)”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, ka hanisana mpifidy […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy mpanao hetraketraka ny fitondrana”
Manao serasera mafy ny minisiteran’ny Fitsarana, ankehitriny, manoloana ny vaovao miely mahakasika ny gadra politika. Misy ny fidinana ifotony sy fanodinana horontsary ataony amin’izany. “Manamafy izahay fa tsy mpanao hetraketraka ny fitondrana misy anay, ary tsy miezaka ny hamono olona ihany koa”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, […]
FANTINA sy FINTINA
Nolanian’ireo depiote teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo ny tolo-dalàna lah. 003-2024/PL momba ny fanavaozana ny satan’ny mpitsara. Tolo-dalàna naroson’ny mpahay lalàna, ny depiote voafidy tany Farafangana, Raby Savatsarah Ain’Harimanga. Tanjona amin’ny tolo-dalàna ny hampifanaraka ny sata ara-pitsarana amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny fanatsarana ny fitantanana ny fitsarana […]
Depiote Manantena Hajanirina Dinah : « Samihafa ny fanapahan-kevitry ny depiote sy ny birao maharitra »
Maro ny vaovao niely mahakasika ny fanesorana ny zo tsy azo enjehina ny solombavambahoaka nandritra ny faran’ny herinandro. Nitondra fanazavana mahakasika izay ny depiote voafidy tao Ifanadiana, Manantena Hajanirina Dinah. «Raha mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana tahaka izao dia tokony ho ny solombavambahoaka rehetra no mifidy sy manapaka ny fanesorana izany. […]




