Fanakiviana sy fanilihana ankolaka ireo kandidà ny fanasarotana ny dosie firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna, araka ny nambaran’ny depiote, Gascar Fenosoa. Nanteriny fa misedra olana ny ankamaroan’izy ireo. “Sarotra sy be loatra ireo antontan-taratasy takina amin’ny firotsahan-kofidina ka ahina hiala an-daharana ny sasany”, hoy izy. Nanambara ny haha kandidà ben’ny Tanànan’i Toamasina […]
Politika
Depiote Rajerson Antoine – FAKANA AN-KERINY : tsy fisian’ny fanabeazana no mahatonga izany
“Misy zavatra be dia be tokony hojerena ny tontolo ambanivohitra. Tsy misy na fanabeazana, na lalam-barotra, na fihariana amin’ny fambolena sy fiompiana… “, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, momba ny trangana fakana an-keriny tany Anjozorobe. Vokatr’izay, misy zaza tsy […]
2016-2020 : navadiky ny ben’ny Tanàna ho tombontsoany ny Easy Park
Nahatratra 235 tapitrisa Ar ny vola nahodin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo mivady, ny taona 2016 hatramin’ny 2020. Nalaina mivantana na taratasim-bola fotsy no nakana izany avy tao amin’ny Easy park . Ampahany betsaka amin’ny vola teo anivon’ny Easy Park tokony ho nalefa tany amin’ny tahirim-bolam-panjakana no nalain’izy ireo ho amin’ny tombontsoany. Mpanolotsaina […]
Famosirana : miankina amin’ny didy raikitra ny fampiharana
Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny fanatanterahana ny famosirana amina raharaha fanolanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fihaonany tamin’ny vadintany sy mpanao lavanty. Misy fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny dokotera amin’izany: tsy maintsy […]
FANTINA sy FINTINA
Nomen’ny birao politikan’ny MMM toromarika ireo ho kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ity antoko ity, ny herinandro teo, teny Ankerana. Samy nahatonga solontena avokoa ireo distrika mandrafitra ny faritra Analamanga. Voaresaka ny momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina sy ny momba ireo dingana samihafa, aorian’izany. Hihaona amin’ireo mpirotsaka hofidina ny ao […]




