Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris, omaly, manoloana ny hetsika nataon’ireo teratany malagasy, Diaspora, tany an-toerana. Tsy mitombina ireo vaovao niely. “Manamafy sy mandiso tanteraka ny vaovao diso misy manaparitaka ao amin’ny tambajotran- tserasera izahay ka milaza fa nisy fihoaram-pefy sy fidirana an-keriny tao amin’ny masoivoho”, hoy […]
Politika
Andriamanana Nivoarivony : “Mila mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny demokrasia eto”
Efa demokrasia ny tsy fitovian-kevitra ny amin’ny demokrasia? Adihevitra… Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony: “Tokony hanamafy orina ny maha malagasy izany ny demokrasia, fa tsy demokrasia no atao fototra voalohany sy lehibe. Tokony hifanaraka amin’ny soatoavina”. Dinidinika… Gazety […]
Atrikasam-paritr’i Afrika Atsinanana: Hatsaraina ny fitantanan’ireo kaominina ny fako
Mila hatsaraina ny fitantanan’ny kaominina ny fako. Anisan’ny avoitra amin’ny atrikasam-paritr’i Afrika Atsinanana mandritra ny telo andro izany. Nanomboka omaly hitohy rahampitso ny atrikasam-paritra iraisan’i Afrika Atsinanana momba ny fitantanana ny fako. Tanjona iraisan’ny rehetra ny hanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fako sy ny fanamby goavana miandry amin’izany. Nambaran’ny minisitry […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, nandritra ny fanapahana fifehezana “Iftar” ara-pirahalahiana nanasana azy fa mivoy ny faharetana, ny fandavan-tena sy ny fankasitrahana ny soa azo rehetra ny ramadany. “Soatoavina anisan’ny ahafahana manorina firenena matanjaka sy mandroso izany”, hoy izy. Nodimandry omaly, ny depiote teo aloha, voafidy tao Sambava, Jaosoa Jean Pascal. Solombavambahoaka […]
Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tsy manaotao foana izany ny ben’ny Tanàna”
Nosalorana samboady ny herinandro teo ny ben’ny Tanàn’ i Toamasina, Andriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain, na i Zoky Alain. Notanterahina teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna, eo amin’ny araben’ny fahaleovantena izany. Hentitra ary nazava ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. “Tsy manaotao foana izany ny ben’ny Tanàna”, hoy izy. Anisan’izany ireo fepetra noraisin’ny mpitantana, […]