Manohy ny asany ny fitondrana Fanavaozana, miezaka manakaiky vahoaka amin’ny fanatanterahana ireo fitakiana teny an-kianja. Tany atsimo, nisy ny fitokanana famatsian-drano vaovao, tohodrano, lalana vita… “Manakaiky vahoaka ny fitondrana”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
“Vokatry ny kolikoly avy any ambony ny kolikoly madinika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirosoa, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny fanombohana ny atrikasa hanatsarana ny ady amin’ny kolikoly, eny Ivato, omaly. Noho izany, manomboka avy any ambony ny fandravana ny kolikoly: ireo trondro vaventy. Vokatr’izay, miteraka ny fitsinjaran’ny harena […]
Fikaonandoham-pirenena : “Mila fiomanana ny mpizaika”, hoy ny MFM
Naneho ny heviny mahakasika ny fikaonandoham-pirenena, omaly, ny filohan’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Nambarany, tamin’izany, fa : “Tsy maintsy misy ny fanomanana an’ireo hiatrika ny fikaonandoham-pirenena any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, Faritra. Tsy maintsy omanina izy ireo satria aleo tsy mandeha an-jambany ». Tsy maintsy misy lohahevitra mazava apetraka amin’ny […]
CSI: “Tokony hitera-bokatra amin’izay ny ady amin’ny kolikoly”
Tanterahina eny amin’ny ivontoerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato ny atrikasa ho fakan-kevitra iadiana amin’ny kolikoly. Mikarakara izany ny Komity mitandro ny fahitsiana ( CSI) sy ny OIF. “Mba hahazoana mahita vokatra tsara amin’izay amin’ny ady amin’ny kolikoly”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriamifidy Jean-Louis, […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy azo enjehina ny depiote eo am-perin’ny fivoriana ara-potoana amin’izao, araka ny nambaran’ ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly. Eny, na nisy aza ny fangatahan’ny eny anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fanalana ny tombon-jo parlemantera toy izay mahazo ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, izay hodinihina aoriana. Natao […]




