Politika

Fanavaozana ny Repoblika : Vonona hanampy an’i Madagasikara i Gabon

Efa nandalo fanavaozana fitantanana i Gabon. Nitondra fampandrosoana sy filaminana izany. Fantatra izay tamin’ny fihaonan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema, tany Libreville, Gabon, ny faran’ny herinandro teo. Azo alain-tahaka sy hiaraha-miasa i Gabon amin’ny fanananany traikefa ny amin’izany. Nilaza ny fahavononany […]

FANTINA sy FINTINA

Niainga ho any Libreville, Gabon, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny delegasionina niaraka aminy. Fitsidihana arak’asa no hataon’izy ireo. Anisan’ny lehibe ny fihaonana amin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema. Eo koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ho amin’ny tombontsoa iombonan’ny firenena roa […]

Minisitry ny Fitsarana: “Fanakorontanana no anenjehana ny depiote Rajerison A.”

“Tsy ny fanehoan-kevitra nataony no anenjehana ny depiote Rajerison Antoine, fa noho ny mahavoarohirohy azy ao anatina famatsiam-bola fa­nakorontanana eto amin’ny firenena”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny fa­nenjehana ny depiote voafidy tany Arivonimamo, Rajerison Antoine. Mba hahazoana manao […]

Amnesty International : “Tokony havoaka eny Tsiafahy Rabetsaroana Sylvain “

Misy manara-maso ny toe-draharam-pirenena eto Madagasikara, indrindra ny fanajana ny zon’olombelona. Takin’ny Amnesty International ny hamoahana an-dRabetsaroana Sylvain any Tsiafahy. “Ao anatin’ny fanenjehana nanomboka ta­min’ny 14 oktobra 2025 amin’ireo tomponandraiki-panjakana teo aloha, taorian’ny fiovam-pitondrana, ny lo­holon’i Madagasikara teo alo­ha sady efa kandidà ho filohan’ny Repoblika, Rabetsaroana Sylvain, amin’izao fotoana izao”. […]

FANTINA sy FINTINA

“Tokony hatsahatra ny fitsabatsabahana andraikitra izay fanitsakitsahana ny fahefana mpitsara, indrindra ny fidirana any anatin’ny fanapahan’ny mpi­tsara”, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny Anosy, afakomaly, manoloana ny fitsabahan’ny mpanatanteraka ny raharaham-pitsarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). “Tsy marina ny filazana ny amin’ny […]