Politika

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ny depiote amperinasa, Masy Goulamaly, ireo olobe sy tangalamena any Tsihombe, araka ny fanambaran’izy ireo. Efa nitaky tahaka izany ny eo anivon’ny Amnesty International. Tsiahivina fa voarohirohy ho nampandoro biraon’ny Ceni any an-toerana ity depiote ity. Anisan’ireo tonga nametraka ny fitoriana tetsy amin’ny HCC […]

Hiffim : «Mila fandinihana ny fananganana governemanta vaovao»

“Tsy maintsy hitsangana ny governemanta vaovao. Izay no tokony hananan’ny filohan’ny Repoblika fandinihana tsara alohan’ny hanaovana an’izany. Satria ny fahatongavan-tsain’ny mpitondra sasantsasany sisa no antenaina amin’izao handehanantsika any amin’ny tena fampandrosoana ny firenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), […]

Olan’ny fifidianana any Faratsiho: naka mpisolovava hiaro ny olony ny Ceni foibe

Nitondra fanazavana ny mpampakatenin’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, omaly, tetsy Alarobia, manoloana ny olan’ny fifidianana any Faratsiho. Nambarany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha izy ireo amin’izao fotoana izao. Notsiahiviny fa voarohirohy ho nanao hosoka ny tomponandraikitra iray misahana ny kajy mirindra any an-toerana, araka ny fanenjehana azy. Nanteriny fa tsy […]

Fifidianana depiote: maromaro ireo am-perinasa tsy lany intsony

Maromaro ireo depiote am-perinasa tsy voafidy intsony na mbola niverina nirotsaka hofidina aza, raha miainga amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Anisan’izany ireo kandidà natolotry ny vovonana Irmar. Resy tany Antanimora Atsimo ny kestora voalohan’ny Ante­nimiera, Jean Michel Henri, Rakotondravoavy Andry na Zoky Andry etsy Arivonima­mo. Ny any Benenitra amin’ny alalan-dRandrianandraina […]

Mpiasam-panjakana: misy ny atrikasa hatsaraina ireo toeram-panofanana

Tanterahina ao amin’ny Hotel de Thermes Antsirabe, mandritra ny 5 andro, nanomboka ny 10 jona 2024, ny atrikasa fanomanana sy fampivoarana ny fitaovam-piofanana ho an’ny toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Mifampizara traikefa ao anatin’izany ny avy eo aanvon’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony […]