Nisaotra ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny kandidà ben’ny Tanàna, Rinah Rakotomanga. “Isaorana izy namaly ny antso nataoko mba hisian’ny fifaninana masina eo aminay mianaka ka hirotsahany hofidina. Nihaino ny fangatahako izy ka ho adin’ombalahin’ny mpianakavy izy ity… Efa vonona aho sy ny ekipako”, hoy izy. “Avelao ny fitsarana […]
Politika
Fitantanana ny Sadc amin’ny taona 2025: misy ny tombondahiny ho an’i Madagasikara
“I Madagasikara no mitantana ny foibem-pitondrana voalohany eo anivon’ny Sadc mandritra ny herintaona, misafidy izay ho lohahevitra hitantanana ny Sadc mandritra ny herintaona. Izy ihany koa no hampiantrano ireo fivorian’ny filankevitry ny minisitra sy ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony ary ny fihaonana an-tampony”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, […]
Depiote “Del kely” : “Niketrika minisitra avy aty aminay ny mpitondra”
Nihemotra tamin’ny paikadiny ny fitondrana, araka ny nambaran’ny depiote “Del kely”, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ao amin’ny onjampeo iray. «Nikasa hametraka minisitra sarintsarina mpanohitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana saingy nihemotra tamin’ny fotoana farany», hoy izy. Nohitsiny fa hampiaka-peo avy hatrany ny eo anivon’ny fanoherana raha miseho izany ary hidradradra […]
FANTINA sy FINTINA
Raha misy ny rivodoza tsy hahazoana manao ny fifidianana amin’ny 11 desambra, tsy maintsy mitodika any amin’ny Filankevi-panjakana ny Ceni, araka ny fanazavan’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Hampahafantarina amin’izany ny fisian’ny antony tsy azo anoarana, ary hamoaka fanapahana ny Filankevi-panjakana. Nanolotra fanampiana sosialy […]
Ravoajanahary Johary: «Hafa mihitsy ny fifandraisana mivantana amin’ny olona»
Nangina nandritra ny fotoana maharitra ny mpanao gazety sady mpanao famakafakana, Ravoajanahary Johary, tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny radio sy ny televiziona taloha. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny tenany. Nitondra ny famakafakana sy fametrahana fanontaniana nahafantarana azy hatrizay. Namokatra ny fandaharana Solanga izy, izay azo arahina amin’ny […]




