Tafiditra anatin’ny politikam-pirenena ny fanelezana ny teknikam-pambolena Pfumvudza. Nanamafy izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tany Zimbabwe, omaly. Nataony laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampiroboroboana ny fambolena. Tanjona, hoy izy, ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara. Nametraka fanamby ihany koa izy fa haverina amin’ny sata maha […]
Politika
TANAN-dehibe: nankatoavina ny Drafi-panajariana
Tontosa omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, teny Anosy, ny atrikasa fankatoavana ny Drafi-panajariana ny tanàn-dehibe na « Plan d’urbanisme directeur » (Pudi). Nanatrika izany ireo solontenan’ny minisitera samihafa, niaraka tamin’ireo ben’ny Tanànan’ireo kaominina hisitraka ny tetikasa. Ankoatra ny fahazoana tanàna mirindra sy milamina, tanjona amin’izany koa ny hampahafantatra an’ireo tomponandraikitra […]
Depiote Zavamanitra : fanamby ny hampandroso an’i Fandriana
Tomefy olona ny kianjan’i Beapombo, Fandriana, omaly. Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy eo amin’ny toerana maha solombavambahoaka azy Andriamiharivolamena Zavamanitra. Notontosaina omaly, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny solombavambahoakan’i Fandriana, Andriamiharivolamena Liva Zavamanitra. Ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa no nametraka ny samboady ho marik’izany. Vahoaka maro no […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony hanao ezaka tsaratsara kokoa ny fitondram-panjakana momba ny olan’ny Jirama, araka ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny pastora Rakotozafy Denis, teny Anosy, ny alarobia lasa teo, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano izay mavesatra amin’izao. Be ny fitaovana simba, ny fiharian-karena tsy araka ny ilana azy ary eo koa ny fahavoazana […]
Antananarivo Renivohitra : hirotsaka ho ben’ny Tanàna Ravalomanana Marc
“Voaraiko ny fangatahana nataonareo mba hirotsahako hodifina ho ben’ny Tanànan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra indray. Efa nilaza taminareo aho fa tsy hiamboho adidy. Efa nanome toky anareo aho fa tsy hamela ny vahoaka malagasy irery. Efa nanambara taminareo aho fa hanokana ny andro sisa rehetra hiainako hanarenana ity firenena malalantsika […]




