Hisy fifidianana ihany amin’ity taona ity? Ny fisian’ny vola enti-manana no nahabe resaka ny mpanao politika sasany talohaloha teo, indrindra ny mpanohitra. Na izany aza, efa nanome toky, ohatra, ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa homena ny Ceni ny vola hoenti-manatontosa izany. Tsy mitsaha-manome toky koa ny […]
Politika
Loholona Tsiebo M. : “Ilaina ny fitoniana…”
“Efa 20 taona lasa ny 2002. Amin’izao 2023 izao, fitoniana sy fandrosoana no tadiavin’ny vahoaka malagasy. Isaorana ry zareo manana finiavana handray anjara amin’ny fifidianana”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Efa manomana ny toe-tsain’ny vahoaka ry zareo mpanohitra. Efa fantany fa ho resy izy ka hanakorontana sy hitarika olona […]
Torkia sy Madagasikara : mihamafy ny fiaraha-miasa
“Vonona ry zareo amin’ny fiaraha-miasa na eo amin’ny fampianarana, fambolena, na indostria… Eo koa ny fanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ny fizahantany, ananan-dry zareo traikefa amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, momba ny fihaonana sy ny fifampidinihan’ny delegasiona parlemantera avy any Torkia sy ny loholona teny […]
Fiatrehana fifidianana: tsy misy lalàna mifehy ny mialoha ny fampielezan-kevitra
“Tsy misy ny famaritana ny hoe vanim-potoana mialoha ny fifidianana. Tsy misy lalàna momba an’izay. Raha ny marina, tokony hitranga mandavantaona ny fihetsiketsehana politika rehetra mialoha ny fotoam-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny vanim-potoana mialoha ny tena fampielezan-kevitra izay efa misy manao hetsika politika […]
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: nodinihina ny hahazoan’ireo Diaspora mifidy
Tsy ho very zo fa efa an-dalam-pikarohana vahaolana ny fanjakana. Nanaovana atrikasa manokana, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), Anosy, omaly ny fomba ahazoan’ireo teratany malagasy miasa sy monina any ivelany, mandray anjara feno amin’ny fifidianana sy ny hisitrahan’izy ireo izany zo izany. Nitarika izany ny eo anivon’ny MAE ary iarahana […]