“Raha ny momba ny tsindry atao amin’ireo lehibem-pokontany: tsy vao izao no mitranga izany, rehefa ao anatin’ny fifidianana toy izao. Efa fanaon’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana izay. Tsy ireo lehibem-pokontany ihany no iharan’izany, fa na ireo lehiben’ny boriborintany na lehiben’ny distrika na ireo prefen’ny polisy… Mandeha hatrany amin’ny mpiasam-panjakana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-pianianana sy fandraisam-pahefan’ny filoham-pirenen’ny Nosy Kaomoro, i Azali Assoumani, tao amin’ny kianjan’i Malouzini, ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny 26 mey lasa teo. Fe-potoam-piasana fahatelo izay nandraisany fahefana izay. Anisan’ny nanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina teto Antananarivo izy, tamin’ny 16 desambra 2023. Mandray anjara amin’ny fanaraha-maso […]
Jeneraly Ravalomanana Richard : “Tsy misy korontana atahorana”
“Tsy misy korontana atahorana izany eto, fa mifanohitra tamin’ny taon-dasa”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard , teny Anosikely, ny faran’ny herinandro. Taorian’ny fihaonany tamin’ireo iraka manokan’ny SADC izay hanara-maso ny fifidianana depiote eto Madagasikara no nanambarany izany. Tsy vao noforonina ny lalàna fa ny efa taloha no […]
Fifidianana solombavambahoaka : atao andrimaso ny birao fandatsaham-bato
Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny androm-pifidianana, rahampitso. Anisan’ny arahi-maso akaiky ny eny amin’ny birao fandatsaham-bato sy ny fitaterana ny voka-pifidianana. Hotanterahana manerana ny Nosy rahampitso ny fifidianana izay ho solombavambahoaka. Efa tafapetraka any amin’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana eny amin’ny distrika na SRMV avokoa ny fitaovana […]
Fiatrehana fifidianana: nampahatsiahy ireo fepetra ny Ceni
Nampahatsiahy ireo fepetra ahafahana mifidy ny eo anivon’ny Ceni. «Ilaina ny fananana karatry ny mpifidy ho fanamarinana ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, indrindra ho an’ireo hitondra fitarainana eny amin’ny fahefana mahefa», hoy ny eo anivon’ity rafitra mikarakara sy manomana ny fifidianana ity. Nanterin’ny Ceni koa fa ireo mpifidy vaovao feno […]




