Politika

Praiminisitra Ntsay Christian: hampahafantatra ny fandaharanasany

Nolanian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tetsy Ambohitsorohitra, ny didim-panjakana miantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta. Hotanterahina ny zo­ma 9 ao­gositra sy ny alatsinainy 12 izao izany. Anisan’ny lahadinika ny fampahafantaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, amin’ireo parlemanta, ny fandaharanasa hanatanterahina ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Voafaritry ny And.99 amin’ny Lalàmpano­renana izany ary […]

Fifidianana ben’ny Tanàna: mampirisika ny vehivavy ho kandidà ny KMF/Cnoe

Ho fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna, manao antso avo amin’ny andriambavilanitra handray anjara mavitrika ny KMF/Cnoe. Manentana ny mpifidy koa ny fikambanana. Hanentana bebe kokoa ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny kaominina. Hidi­na ifotony amin’ireo faritra maromaro ny mpikamban’ny KMF/Cnoe, manomboka izao. Anisan’ny hataon’izy ireo amin’ izany ny […]

MFM: “Fahadisoana bevava raha tsy hatao ny fifidianana kaominaly”

Nitondra ny fijeriny momba ny teo-draharaha politika eto amin’ny Nosy ny antko MFM. Mila atao amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly, araka ny heviny. “Fahadisoana bevava ny zava-misy, raha tsy hatao ny fifidia­nana kaominaly eto Mada­gasikara amin’ity taona ity. Ny hevitry ny MFM: tokony hatao amin’ity taona ity ny fifidia­nana.” […]

Kolikoly eto Madagasikara: lohalisitra ireo minisitera fototra

Namoaka ny tatitra fanaony isan-taona ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly, Bianco, omaly. Toy ny mahazatra, ireo minisitera fototra no tena aharaisana fitarainana maro. Tontosa, omaly, teny amin’­ny foiben’ny Birao mahaleotena miady amin’­ny kolikoly (Bianco), Ambohibao, ny lanonam-panjakana nanolorana ny tatitry ny asa vita momba ny ady amin’ny kolikoly nandritra […]