Politika

Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hosorohina ny fivoahan’ny laza adina bakalorea mialoha ny fotoana

Nametraka fanamby goavana. Hanomboka ny faha-22 jolay ho avy izao ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Mesupres) fa efa vonona izy ireo. Nambaran’ny minisitra mpi­solo toerana, Ravo­ka­tra Fidiniavo, fa efa vonona amin’ny fitaovana sy ny fandaminana rehetra ny fanjakana. Eo koa […]

FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana mpisolo toerana ny Anteni­mi­eram­pirenena, ny depiote Rabenirina Jean Jacques, sy ny filoha vaovao, ny depiote Tokely Justin. Natao tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ary tao anatin’ny firahalahiana tanteraka. “Hampirevy vahoaka sy hiaro ny filoham-pirenena ary hanomana ny fifidianana depiote amin’ny taona 2029 ny […]

Fikaroham-bahaolana: mitaky fifampidinihana ny MFM

Naneho hevitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny MFM, amin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Jean Ignace (Ramasy). Anisan’ny tolo-keviny ny hanomezana tombon-dahiny ny eny ifotony ka anisan’ny dingana ahatongavana amin’izany ny fandraisana andraikitry ny filohan’ny Repoblika. “Manana fahefana ny filoham-pirenena amin’ny ahafahany mikitika ny And 162 amin’ny […]

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Tokony hanova fomba fiasa ny praiminisitra”

Tsy manana olana amin’ny nanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian ny depiote voafidy tany Betroka. Na izany aza, nitondra tolokevitra ny tenany amin’izao hitantanany ny governemanta izao. “Aleo tsy manova azy, fa sarotra ny manavao. Ny tokony hataony fotsiny: tokony hanova politika kely izy: hanara-maso any ifotony, ary tokony hihaino […]

FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe, naneho ny hatezerany noho ny famadihana ny voka-pifidianana, ireo vahoaka ao Maevatanana, ny sabotsy teo. Namba­ran’ireo vahoaka fa tsy eken’izy ireo ny didin’ny HCC ary niahiahiny koa fisiana kolikoly izao nahazoan’ny kandidà Irmar ny fandresena izao. Nohadihadian’ny zandary ilay kandidà, Rasoarimalala Georgette, sy ny mpomba azy vitsivitsy. Noraisin’ny […]