Miisa 13 ireo kaominina nisitraka ny Plof ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, raha samy valo avy kosa ireo nahazo izany ho an’ny faritra Anosy sy ny any Androy. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Mionjo miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena izy ity. Namolavola izany ny eo anivon’ny Sampandraharahan’ny fandrefesan-tany (DST) ao […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Notokanan’ny filohan’ny Repoblika tao Moramanga, ny Akany Fiadanantsoa handraisana an-tanana ireo mpiady tia Tanindrazana, akanga sisa nanamborana sy ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Hisy fizaham-pahasalamana sy fizarana fanafody maimaimpoana ho azy ireo, ao an-toerana, toy ny fitsaboana ny areti-maso sy ny fizarana solomaso. Notontosaina teo amin’ny fasan’ny Maherifo Ambalankararaina, […]
Praiminisitra Ntsay Christian :”Tsy maintsy averina ny fandriampahalemana”
“Tsy maintsy averina ny filaminana satria zava-dehibe ho an’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izany.” Io no namintinan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Ambositra, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana notarihiny niaraka tamin’ny OMC-Nat ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any amin’ ny faritra Amoron’i Mania, anatin’ny […]
Filoha Rajoelina Andry : “Zo sy adidy ny miady hampandroso an’i Madagasikara”
Nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 29 marsa. Navoitrany tamin’izany ny tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana. “Tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ran’ ireo Malagasy nitolona ho an’ny fanavotana sy fahafahana ho an’ny firenena. Mitaky adidy entanin’ny fitiavan-tanindrazana ho antsika taranaka mifandimby […]
FANTINA sy FINTINA
Hatsangana ny Foibe fibaikoana “Centre de commandement opérationnel – CCO” amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI. Hapetraka eny amin’ny Kianja Barea izany, handrindrana ireo asa rehetra ary efa miroso koa ny fanajariana ireo fotodrafitrasa handraisana ireo delegasiona vahiny, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mitaky fihaonana amin’ny filoha frantsay, […]