Hamelabelatra ny « Antso avo ho an’ny Tetezamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava » ny eo anivon’ny fiarahamonimpirenena. Hotanterahina, anio, etsy amin’ny foiben’ny Rohy, Ambatonakanga, izany. Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ireo fiarahamonimpirenena an-jatony herinandro vitsy lasa izay, niresaka ny momba izany. Nitohy teny Ambatofahavalo ny hetsika fanohanana ireo […]
Politika
Fananana ny maro an’isa eny Tsimbazaza: Mitaky praiminisitra avy amin’izy ireo ny Irmar
Naneho ny heviny manoloana ny ho fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nohitsiny fa manana ny maro an’isa ny vondrona parlemantera Irmar eny Tsimbazaza raha hampiharina ny Lalàmpanorenana, nanaovan’ny filoham-panjakana, fianianana ny 10 oktobra teo. « Tsy manana zo hiditra na hifindra […]
Lamina eto amin’ny firenena: niala ny birao maharitry ny Ceni
Araka ny fanapahana n°07-HCC/D3, omaly, nankatoavin’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fametraham-pialan’ireo mpikambana valo eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, afa-tsy ny filohany, rehefa hita ny fahabangan-toeran’izy ireo. Tamin’ny 5 marsa ny fametraham-pialana no natao, napetraka teny amin’ny HCC ny 6 marsa, araka ny fanazavan’ ny mpampakateny […]
FANTINA sy FINTINA
Vonona ny hametra-pialana ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, raha manana porofo ny Kly Rakotomamonjy Patrick, araka ny nambarany, omaly. Anisan’ny voatonona ao anatin’ny horonantsary ho manao kolikoly ity lehiben’ity Andrimpanjakana ity. «Tsy rariny ny fanaparitahana tsaho sy manimba olona», hoy izy. Nametraka masontsivana sy fepetra amin’ireo ho mpikamban’ny governemanta ny […]
Rabevahiny Elia : “Mba tena hanova ny governemanta vaovao eo”
“Tsotra ny fitakianay: misy tolona natao teny an-kianja. Matoa sahy nanapa-kevitra nandrava ny governemanta ny filohan’ny Fanavaozana, tsy namaly an’izay tolona ho amin’ny fanovana ilay governemanta Rajaonarivelo Herintsalama”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFIM) sady mpanolotsaina teknika ny filohan’ny Fanavaozana, Rabevahiny Elia, omaly, manoloana […]




