Notanterahina tany Ampefy, ny 25 sy 26 avrily 2024 lasa teo, ny atrikasa ho an’ny fanaraham-penitry ny “Jurisprudence” eto Madagasikara. Nivondrona tamin’ity atrikasa ity ny komitin’ny fandinihana sy ny fanamarinana ary ny fanaraha-maso ny fanajariana ny lalàna eo anivon’ny Fitsarana eto Madagasikara. Tanjona lehibe amin’ny atrikasa ny hanangona sy handamina […]
Politika
Fanonganana an-dRazanamahasoa : hoentina any Afrika ny raharaha
Tsy hipetra-potsiny na hamela ny raharaha amin’izao. Nambaran’ny mpisolovava, ny Me Andrianahaga Eric, fa tsy manan-kolazaina izy ireo raha ny momba ny didy navoakan’ny HCC amin’ny nanonganana ny filohan’ny Antenimiera, teo aloha, Razanamahasoa Christine. Na izany aza, hitady hirika ireo mpahay lalàna. “Azo atao ny mampiakatra izany eo anivon’ny Cour […]
IDA 21 : vinavinaina hitombo avo telo heny ny an’i Madagasikara
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fisitrahana ny IDA 21. Izany indrindra no anton’izao fihaonana an-tampony izao. Miezaka hatrany ny tomponandraiki-panjakana manao ny ezaka ahafahana misitraka hatrany ity fanampiana ity. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ao Nairobi – Kenya, ny fihaonana an-tampon’ny Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana. Ny mahakasika ny fanangonam-bola ho […]
FANTINA sy FINTINA
Nisaotra ireo nitondra am-bavaka azy ny kandidà depiote, Ramalason Olga. Nivoaka ny fonjan’Antanimora, ny zoma hariva, ny tenany. “Valim-bavaka izao ka isaorana Andriamanitra fa afaka soa aman-tsara. Mankasitraka antsika rehetra”, hoy izy. Tsiahivina, naiditra am-ponja ny 23 avrily teo izy noho ny fiahiahiana kolikoly tao Antsirabe. Nanentana ireo mpomba azy […]
NY FIVAVAHANA: “Tsy tokony ho lasa fitaovana politika”
“Mila mitandrina isika amin’ ny resaka fivavahana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady mpanao politika, Rabary Paul, manoloana ny fisian’ny karazana antokom-pivavahana mijoro sy miasa etsy sy eroa amin’izao fotoana izao, izay misy lasa fitadiavam-bola na fangoronan-karena ny sasany. Lasa fanaovana afera ny fivavahana amin’izany, lasa fanodinkodinan-tsaina sy fandemen-tsaina. […]




