Politika

Fandraisana andraikitra : hanara-maso ny fifidianana ny tanora, ny vehivavy…

Hanetsika mpanara-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy, amin’izao hiatrehana ny fifidianana depiote izao. Ahitana sokajin’olona samihafa izany fandraisana andraikitra izany. “Nisafidy ny hirotsaka ho Mpanara-maso fifidianana ireo tanora, vehivavy ary ny manana fahasembanana noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy masina amin’ny maha olompirenena mandray andraikitra sy amin’ny maha mpikambana feno azy […]

Filoha Rajoelina Andry: nitokana fotodrafitrasa maro ao amin’ny faritra Anosy

Manao tohivakana ny fitokanana fotodrafitrasam-pampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena ao amin’ny faritra Anosy. Natsangana ao an-toerana ny « Hôtel des finances » fahadimy eto Madagasikara. Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fananganana ireo fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny « Hôtel des finances » izay miorina ao amin’ny fokontany […]

Ady amin’ny kolikoly : hanampy amin’ny paikady vaovao ny FMI

“Andry fahatelo amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fitondrana tsara tantana. Manana ampahany lehibe amin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Koa manohana ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly ny FMI amin’ny famolavolana paikady vaovao iadiana amin’ny kolikoly”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, ny amin’ny fihaonan’ny iraky […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho governora mpisolo toerana ho an’ny faritra Ihorombe, Rakotondrasoa Annie Frankline, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ho mpisolo toerana any Atsinanana, Bemahefa Gervais. Foana kosa ny fanendrena ny governoran’Itasy sy ny any Vatovavy. Nankatoavin’ny fanjakana ny fitazonana ny toerana misy ny masoivoho any Sina, amin’izao […]