Politika

FANTINA sy FINTINA

Mifameno ny fiangonana sy ny fanjakana amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny lahatenin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, raha nanokatra ny jobily faha-100 taonan’ny Tobilehibe Manolotrony izy. Notantera­hina ny alahady teo izany. Manangana ny rantsany any ifotony ny Vovonana ho […]

Fikaroham-bahaolana : Mitaky ny hanafainganana ny fikaonandoha i Fetison

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny de­mokra­sia sy sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nankasi­tra­hiny ny ezaka fampihavanana sy ireo asa fampandrosoana tsara notohizana sy efa natomboka. Nametraka fitakiana anefa ny tenany. «To­kony hiroso haingana koa ny dingana manaraka, indrindra ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny FFKM. Mandro­so […]

Fihaonana an-tampony : Manohana ny dingana fanavaozana ny SADC

Nankasitraka an’i Madagasikara ny Fihaonana an-tampony faha-46 nataon’ny vondrona SADC tany Durban, Afrika Atsimo, ny fiandohan’ny herinandro teo, araka ny fanambarana nampitainy, voaray omaly. Noho ny fahombiazan’ny fifampidinihana, eo ambany fiahian’ny vondron’ny olobe eo anivon’ny SADC izany. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Vondrona mpanolotsaina momba ny fanelanelanana sy ny sekretarian’ny SADC ihany […]

Fiaraha-miasa : Hanohana ny fifidianana i Frantsa

Nandray ny filohan’ny Vaomieran’ny raharaham-bahiny ao amin’ny Antenimierampirenena frantsay, Bruno Fuchs, ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Manohana ny fizotry ny fifidianana i Frantsa, indrindra amin’ny alalan’ny fandraisany anjara ao anatin’ny “Basket Fund”. “Manohana koa ny fizotry ny fikaonandoham-pirenena izahay”, hoy izy. Nohazavain’ny minisitra tamin’izany kosa ny […]

Durban, Afrika Atsimo : Nahatsiaro ny filoha Olivier R.Tambo ny Filohan’ny Fanavaozana

Feno ny fandaharam-potoan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra ny fiatrehany ny fihaonana an-tampon’ny SADC, ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny dian’­ny filohan’ny Fana­vao­­zana, ny kolonely Ran­dri­a­nirina Michaël, tany Durban, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana sy fanomezam-bonina­hitra ny filoha Olivier Reginald Tambo tao eThekwini, ao KawaZulu-Natal. Mpitondra ambony sy mpitantana […]