« Tsy ny fisehosehoana ivelany no tokony ho ivon’ny politika fa ny fananana tetikasa mazava sy azo tanterahina ary ny fahafahana manatanteraka izany », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nivoitra izany tamin’ny fifampizarany traikefa sy fahalalana tamin’ireo mpianatry ny Inscae, ny herinandro teo. Nampahafantarany koa ny momba ny […]
Politika
Fanamboarana governemanta: saro-toerana ireo minisitra tsy misongadina
Anisan’ny takina tamin’ireo minisitra amin’izao fanavaozana izao ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka, indrindra izay notakina teny an-kianja tamin’ny taon-dasa. Mby aiza? Efa nanao tatitra ny zava-bita tao anatin’ny enim-bola nandraisany ny asany ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ahoana kosa ny amin’ireo minisitra? Mandeha ny resaka eo amin’ny tontolo […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mijanona eto anivon’ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, tetsy Ankorondrano, afakomaly. Miitatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany ka ao anatiny koa ny heloka ara-bola. Antony niofanan’ireo mpitsara ny lalàna « Common Law » hatramin’ny zoma izao izany. Ireo mpitarika Tim distrika […]
Ceni – Fisoratana anaty lisi-pifidianana : Mametraka ny paikady « Ambohipihaonana »
Fomba fiasa apetraky ny Ceni amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny fanakaikezana vahoaka. Nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni ho an’ny faritanin’Antananarivo, Zoelson Andrianirina, fa efa am-perinasa ny sehatra « Ambohipihaonana ». « Manakaiky kokoa ny olom-pirenena izahay amin’io fomba fiasa sy paikady io », hoy izy. Anisan’ny nanatanterahina izany, omaly, ny tetsy amin’ny biraon’ny […]
Fikaonandoha tany Farafangana : Mitaky sazy henjana ho an’ny mpangala-bato ny MMM
Nitohy tao Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, indray ny fikaonandoham-paritry ny MMM, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nifanakalozana tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny faritra mahazaka tena. Tsy ny olona no olana. « Ilay rafitra mihitsy no mila ovaina. Diovina koa ny tokotanim-pifidianana ary raisina avokoa ny fepetra rehetra manoloana ny […]





