“Rehefa nisy ny fangatahana vola fanampiana, matetika ny hanaovana fandaminana anatiny no soso-kevitra arosonay. Ny vola efa ao anatiny ihany no halamina amin’ ny tsy fahampian’ny vola eo an-tanana : kaonty atsy, afindra aroa”, hoy ny minisitry ny Toakerana sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpiasa eo […]
Politika
Andrianainarivelo Hajo : “Fomba fisainana ny fitsinjaram-pahefana…”
“Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy mazava ary hentitra ho an’ny fampandrosoana ary hitondrana fanavaozana ho an’ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly teny Ankatso. Namelabelatra tamin’ireo mpianatra sosiolojia, taona fahatelo ny lohahevitra «Ny olana eo amin’ny rafitra politika sy ny fampandrosoana eto Madagasikara”, ny tenany […]
Olana samihafa eto amin’ny firenena : maro ireo depiote tsy faly amin’ny governemanta
Hiaka-dapa eny Tsimbazaza ireo mpikamban’ny governemanta, ny alakamisy sy zoma izao. Hifanatrika amin’ireo depiote izy ireo amin’izany, araka ny fandaharam-potoana amin’ny lahadinika. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny roa tonta.. Efa nandrangaranga ny hanangona sonian’ireo solombavambahoaka ny depiote Raholdina Naivo, ny herinandro teo manoloana ny fomba fiasan’ny minisitry ny Fitsarana sy […]
Governora faritra Analamanga : “Tsinontsinona izahay rehefa tsy eo ny filoha”
“Tsinontsinona izahay sy ny minisitra na tomponandraikitra, rehefa tsy eo ny filohan’ny Repoblika. Inona izany no tokony hataontsika? Manampy ny filoha isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Talata Volonondry, ny farany herinandro teo, tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanamboarana ny lalambe migodana. Fanatanterahana ny veliranon’ny filoha […]
Fiatrehana fifidianana : hanara-maso ny lisitry ny mpifidy ny vehivavy Tim
Nifamory teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko etsy Bel Air ireo vehivavy Tim, ho an’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc. Nambarany tamin’ny toromarika nomeny ireo mpikambana sy ny fanentanana nataony ny tokony hanarahan’izy ireo maso ny fizotry ny fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Eo koa […]