Manaitra ary mitaky amin’ ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni mba handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe. Mahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna izy ireo amin’izao vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra izao. Nambaran’ny filoha lefitra eo anivon’ity fiarahamonim-pirenena manara-maso ny fifidianana ity, Rabekijana Felix, fa fandikan-dalàna tsotra izao ny fitokanana fotodrafitrasa ataon’ny filohan’ny Repoblika. “Voarara ary […]
Politika
Fandalovan’ny rivodoza Gamane: tombanan’ny SADC ho 108 tapitrisa dolara no ilain’i Madagasikara
Anisan’ny firenena mila vonjy i Madagasikara, noho ny vokatry ny loza voajanahary. Heverina ho 108 tapitrisa dolara ny fanampiana ilaina taorian’ny fanadalovan’ny rivodoza Gamane. Nanao antso avo amin’ny maha olona ny SADC mba hamaliana ny fiantraikan’ny haintany vokatry ny trangana hafanana tafahoatra. Amin’izao dingana izao, tombanana ho 5 miliara dolara […]
Hafatra Pantekoty avy amin’ny FFKM: “Aoka tsy hampanantena poakaty sy hividy safidy”
Hentitra koa ny fanambaran’ny eo anivon’ny FFKM tamin’ny hafatra Pantekoty navoakan’izy ireo, omaly. Anisan’izany ny momba ny fifidianana depiote sy ny olana sosialy amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny hafatra fa tokony halavirina ny korontana sy ny tabataba amin’izao fifidianana izao. “Aoka ianareo kandidà mba tsy hananararaotra ny fahasahiram-bahoaka ka hividy safidin’izy […]
FANTINA sy FINTINA
Miofana eto Antananarivo ireo mpampiofana ny ho delegen’ny kandidà amin’ny birao fandatsaham-bato, amin’ny fifidianana depiote. “Mba hitovy ny fomba fiasa amin’ny fanisam-bato na famenoana ny antontan-taratasim-pifidianana ny anton’ny fiofanana”, hoy ny avy amin’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika. Hitohy any amin’ny distrika izany avy eo. Nampanantena ny eo anivon’ny Ceni fa […]
sehatra iraisam-pirenena : mitaky fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana
Nanamafy ny efa voalazan’ ny Amerikanina. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. Maromaro ireo fangatahana napetrak’izy ireo amin’izao hiatrehina ny fifidianana depiote izao. Manamafy ny fanohanany ny zotram-pifidianana mangarahara, azo antoka sy tsy mitanila ary andraisan’ny rehetra anjara, izy ireo, araka ny fanambarana. Hentitra koa anefa ireto […]




