Nitohy tao Antsiranana ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly. Fitsidihana izay nanolorana ireo fotodrafitrasa naorina ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Nanontrona azy tamin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafita, sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Monjavelo Valery, ary ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, CGP Rakotoarimanana Herilala. Niaraka tamin’ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo voaasa hanatrika ny fianianan’ny filoha Kaomorianina, Azali Assoumani ny filoha Rajoelina. Hotanterahina any Màoroni ny 26 mey izao izany. Ny 4 jona kosa, handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Korea sy Afrika ny filohan’ny Repoblika. Lohahevitra : “Ny ho avy izay iarahantsika atsangana : ny fampandrosoana iombonana…” Nahazo […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Mampandroso ny filaminan’ny fananan-tany”
Nisitraka karatany sy bokitany maherin’ny 20 000 ny any Marovoay. Tonga tany an-toerana nanolotra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. “Mampiroborobo ny fambolena ary mitondra fampandrosoana ho antsika ny filaminan’ny fananan-tany”, hoy izy. Nambarany fa mamaha ny olana eny anivon’ny fiaraha-monina izao […]
Fitsidihana ataon’ny filoha: mifantoka amin’ny fitsinjovana ny maha olona ny fotodrafirasa
Fotodrafitrasa maro samihafa no notokanana sy natolotra ny vahoaka eny ifotony, nandritra ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena. Izany no natao dia ho fanatanterahina ny vina sy ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana. Tontosa omaly alakamisy 23 mey 2024, ny fidinana ifotony sy fitsidihana, nataon’ny filoham-pirenena , Rajoelina Andry. Analalava sy Bealalana ary Nosy […]
Fifidianana depiote: tonga hatramin’ny fandrahonana ny propagandy
Manahy antsojay politika amin’izao fampielezan-kevitra izao ireo haino aman-jery sasany. Anisan’izany ny taratasy navoakan’ny lehiben’ny disitrikan’Antanifotsy nomena ny mpitantana ny sampana radio A/Z Radio any an-toerana. Voalaza anefa fa sampana tsy mamokatra fandaharana izany onjam-peo izany. Mampita ny feo avy any Antsirabe fotsiny izy ireo nefa izao nahazo fandrahonana fanakatonana […]




