Amin’izao fifidianana izao, olona toy inona no tokony ho depiote? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: ” Olona mijoro izany, fa tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Olona toy inona no tokony ho depiote? Ramamimampionona Gérard (-): Andrimpanjakana iankinan’ny firenena amin’ny fitantanana […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny fehinkevitra nandritra ny fikaonandohan’ireo mpahay lalàna, tetsy Besarety, omaly, ny fanimbazimbana ny lalàna amin’izao fotoana izao. “Tsy azo ekena ny miraviravy tanana”, hoy izy ireo. Mivonona ny handeha amin’ny alalan’ny lalàna izy ireo hanasitranana izao manjo ny firenena izao. Anisan’ny nitarika izany ny Pr Ranjeva Raymond. Naneho ny fanohanany […]
Fandresena lahatra ny mpifidy: tsipahin’ny KMF/Cnoe ny fizaram-bola
Namoaka fanambarana manoloana ny tokony hametrahana fifidianana tan-dalàna ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Hentitra izy ireo fa mitsipaka marindrano ny fanohintohinana ny fahalalahan’ny rehetra hisafidy amin’ny fizarana vola sy fitaovana hahazoana ny safidiny. “Tahirin-kevitra momba ny fifidianana ihany no azo zaraina mandritry ny propagandy, araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy […]
Mialoha ny fampielezan-kevitra : handray fepetra amin’ireo mihoa-pefy ny HCC
Mbola nanamafy ny fampitandremany. Mitohy ny atrikasan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nampahafantarana ireo fepetra sy ny lalàna tokony harahina. Anisan’ny nentin’izy ireo tamin’izany ny fampahafantarana amin’ireo mpirotsa-kofidina sy ny mpanohana azy ary ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fifanolanana momba ny raharaham-pifidianana sy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny […]
Fizalaotra : hanao tohivakana ny hetsika
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato, ny fampahafantarana sy fanokafana ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny Fizalaotra. Nohamafisin’ireo nandaha-teny tamin’izany fa efa mijoro sy amperinasa ny komity mikarakara ity fankalazana ity. Novelabelarina tamin’izany koa ireo hetsika rehetra hotontosaina. Anisan’izany ny fiaraha-mitsangatsangana sy ny fifaninanana samihafa eo amin’ny fanatanjahantena ary […]




