Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny atrikasa fampahafantarana sy nankatoavana ny Drafi-pirenena ho an’ny fananan-tany andiany faharoa (PNFII), iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fananan-tany (FNF), Razafindratsimba Vonjy, fa tanjona ny fanakaikezana kokoa sy ny fiarovana amin’ny fananan-tany hipaka eny amin’ny vahoaka. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Hiompana amin’ireo fanondranana antsokosoko ny harena voanajanahary, ny fiarovana izany ary koa ny momba ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana ny resaka hifanaovana amin’ny minisitra, i Andonirina Max Fontaine. Harahina, anio amin’ny radio Alliance 92 FM amin’ny 12 ora 15 mn (fiteny malagasy) sy amin’ny 1 ora (fiteny frantsay) izany. […]
Ceni : “Tsy sakana ny fahafatesana kandidà”
“Tsy voasakan’ny fahafatesana ny fifidianana”, hoy fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, manoloana ny fahafatesan’ny kandidà depiote lah. 3, avy amin’ny vondrona Firaisankina, ao amin’ny distrikan’i Morondava, faritra Menabe, i Mamy Meryson Claver, teo amin’ny faha-52 taonany, afakomaly, raha mbola nanao fampielezan-kevitra izy ny tontolo andron’ny 19 mey lasa teo. Ankoatra […]
Filoha Rajoelina Andry: mitohy hatrany ny famaliana ny filan’ny vahoaka
Ao anatin’ny fanolorana ireo fotodrafitrasa hanatsarana ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana amin’izao. Anisan’izany ny « Hotel de Police » ho an’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, entina manatsara ny fandriam-pahalemana eny ifotony. Tontosa omaly, tany Maintirano sy Besalampy ary Morafenobe, ny fiidinana ifotony nataon’ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry. Niara-dalana taminy nanatontosa izany ireo tomponandraikim-panjakana sy olom-boafidy […]
FANTINA sy FINTINA
Namory ny eo anivon’ny OMC Diana ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa ilaina ny ipetrahan’ny filaminana sy fitoniana amin’izao hiatrehina ny fifidianana izao. Eo koa ny fepetra noraisina momba ny jono tsy ara-dalàna sy ny fiondranan’ny harem-pirenena antsokosoko. Nampihaona amin’ny alalan’ny adihevitra ireo kandidà hofidina depiote […]




