Politika

Depiote Voninahitsy Jean-Eugène : “Ilaina ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”

“Tiako ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Mampitombo ny isan’ny mpifidy io”, hoy ny depiote voafidy tany Mora­fe­nobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugene. Satria araka ny fomba fitenin’ny olona hoe tsy mivaky loha amin’iny faritra misy an-dry zareo iny ny fitondrana nifandimby […]

Fahalasan’ny Papa Benoît XVI : naneho fiaraha-miory ny mpitondra sy mpanao politika

Naneho ny fiaraha-mi­om­bona alahelo amin’ireo mpino katolika eto Madaga­sikara sy ny maneran-tany ny filoha Rajoelina Andry. “Ta­min’ala­helo lehibe tokoa no nandrenesako fa nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Papa Benoît XVI. Handry am-piadanana anie ny fanahiny”, hoy izy. Miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny Papa Ray Masina, i Benoît XVI koa […]

Filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc: “Naka lesona tamin’ny lasa isika ary efa niova…”

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao, teny Faravohitra, ny mpikatroka Tim. Nitodihan’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy. “Naka lesona tamin’ny nitranga ha­tramin’izay isika. Efa niova aho ary mahafantatra ny ataoko. Tsy ho azo ambakaina intsony fa hafa ny toy ny tamin’ny 2018”, […]

Ratolojanahary Maharavo : “Tompon’antoka amin’ny fahantrana ny mpanjanaka”

“Ny mpanjanatany no tompon’andraikitra amin’ny fahantrana misy eto”, hoy ny mpitarika ny hetsika Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo. Voafatotra ka tsy mahazo ny ataon’ny filohan’ny Repobli­ka ny vahoaka, manome tsiny avokoa. Izay no zava-misy amin’izao. Izay no itenenany, na fantany aza fa tsy rariny izany. Nahatonga azy niampanga ny […]