Politika

Filohan’ny AJT Toamasina: «Aoka tsy hampirafesina ny samy mpanao gazety»

Hentitra ny filohan’ny Fi­kambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina (AJT), Sa­botsy Jose (Sajo), raha nanafatrafatra ny mpanao politika sy solontenam-panjakana. Nohitsiny fa aoka izay ny fampirisihana ny mpanao gazety miandany aminareo hankahala ny hafa tsy mitovy firehana aminareo. “Avelao izahay hitrandraka vaovao ataonareo ankalamanjana. Zony tanteraka izany na antsoinao na tsia […]

Fisamborana sy fanagadrana: mampiaka-peo ny vovonana RMDM

Anisan’ireo nanotrona ny minisitra teo aloha sady kandidà depiote, Ramalason Olga naterina teny Antanimora, afakomaly hariva ireo depiote Tim. Tsy nitsitsy fitenenana i “Del kely” tamin’izany. “Mam­piahiahy izao tranga izao. Tena hizotra amin’ny demokarsia ve isika sa ho any amin’ny fitondrana jadona ?”, hoy ny fanontaniany. Notsiahiviny fa maromaro ireo […]

Fiahiahiana kolikoly : miisa telo ireo kandidà depiote voasambotra

Miisa telo, hatramin’ny omaly, ireo kandidà depiote noahiahiana amin’ny resaka kolikoly nosamborina na nampidirina am-ponja. Manomboka mampiaka-peo koa ireo kandidà sasany amin’ireo teritery samihafa Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny kandidà tsy miankina, ao Vangaindrano, Mahavitara Sylvestre. Nampidirana am-ponja eny Antanimora ny 8 avrily teo noho izy ahina ho nanodinkodim-bola tamin’ny […]

Faha-50 taonan’ny OJM : nandalo sedra sy fotoan-tsarotra ny mpanao gazety

Notsiahivin’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, omaly, fa nametrahana ny firaisankinan’ny mpanao ga­zety tany amin’ny taona 1974 no antony nananganana ny holafitra. Teo ny teritery sy ny tsindry samihafa niseho tamin’ izany. “Nandalo vanim-potoana sarotra ny asa fanaovan-gazety tao anatin’izay 50 tao­na izay. Na teo amin’ny […]