Miroso miandalana ny fanamboaran-dalana RN54 Mahajanga tanàna, mihazo ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Amborovy. Efa maherin’ny 35% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Izany hoe eo anelanelan’ny Galana Tsaramandroso sy “Ponceau” fiviliana mihazo ny any amin’ ny Mazava huile. Samy ahitana izany fanamboaran-dalana izany avokoa, miainga eo amin’ny Jirama , Amboboka. […]
Politika
Tsingerin-taona faha-50: hanao hetsika ny elatra MFM Rakotovazaha
Tratry ny fizarazarana na samy eo anivon’ny fanoherana aza. Hifamotoana etsy amin’ny hotely iray etsy Anosy, anio tontolo andro, ny elatra MFM, miara-dia amin-dRakotovazaha Olivier, filoha nasionaly vonjimaika. Hanamarika ny faha-50 taonan’ny antoko koa izy ireo. Hisy ny fotoam-bavaka sy fanehoana an-tsary ny lasan’ny “Mafana”, hatramin’ny niorenany amin’izany. Eo koa […]
Fijoroan’ny vovonana : naneho ny fanohanany ny filoha Rajoelina ny VMMTF
Tsy hamela ny filoha hiady irery manoloana ny raharaham-pirenena. Nijoro sy nampahafantatra ny momba azy tetsy Antaninarenina, omaly ny Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha (VMMTF). Nilaza ho efa mahenika ny faritra 23 izy ireo amin’izao fotoana izao ary efa miasa eny an-kianja. “Vehivavy vonona sy marisika ary sahy mijoro […]
Fitantanana kaominina: nizara ny tsiambaratelony ny ben’ny Tanàna A. Parisoa
Iza izy ? Andriambolanarivo Parisoa. Ben’ny Tanànan’i Imeritsiatosika. Mpankafy baolina kitra ny tenany. Anisan’ny fialamboly ankafiziny ny mijery horonan-tsarimihetsika sy ny mamaky boky. Tia ireo hira ilay antsoina hoe “Vazo miteny” sy ny hira milamindamina. Tiany avokoa rehefa sakafo malagasy. Nanamarika ny fiainany ary anisan’ny nahafaly azy ny nafahany ny […]
Andriamiarisoa Daniel: “Samy afa-maneho hevitra ny rehetra”
“Amin’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy tarihiko, samy afa-maneho hevitra avokoa na ny mpanohitra na ny fitondram-panjakana na ny olom-pirenena satria tany demokratika i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, manoloana ny fangatahana ny mpanao politika etsy sy eroa ny tokony hisian’ny fiatoana na fitoniana […]