Nisesy ny fandraisan’ny filoha Rajoelina Andry ireo delegasiona, nivahiny teto amintsika. Voaresaka tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tetikasa fampandrosoana. Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny ranomasina, i Hervé Berville, taorian’ny nanatrehany ny fianianana tetsy Mahamasina. Nanolotra ny taratasy avy amin’ny filoha frantsay ho fiarahabana ny […]
Politika
Fianianan’ny filoha : nizotra am-pilaminana ny lanonana
Tontosa antsakany sy andavany, ny lanonana fianianana sy fametrahana an-dRajoelina Andry, filoha voafidim-bahoaka, amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy, natao teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tonga maro, nanotrona izany ireo vahoaka malagasy, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, notronin’ireo tomponandraikitra maro samihafa sy ireo vahiny nasaina. “Ilaina ny fiaraha-miasa […]
Filoha Rajoelina Andry : fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona
Nametraka fanamby maromaro ny filoha Rajoelina Andry ary efa fiaingana vaovao ho amin’ny 5 taona manaraka, taorian’ny fianianany natao ny sabotsy teo, izany. Niompana amin’ny sosialim-bahoaka kokoa izany. Anisan’ny fiaingana vaovao ao anatin’izany ny fiahiana ny maha olona. “Hitsinjo ny isan-tokantrano aho, indrindra ireo tena marefo. Lehibe sy mavesatra ary […]
Fanovana ny CFM : velon’ahiahy i Maka Alphonse
Naneho ny heviny amin’ny nandanian’ny parlemanta amin’ny fanovana ny firafitry ny CFM, ny filoha nitarika izany teo aloha, i Maka Alphonse. Nambarany fa ny fotoana tahaka izao aza no tokony hijerena manokana io rafitra io. “Mamofompofona krizy izao eto amin’ny firenena ka tokony hanomezana fahefana bebe kokoa ny CFM “, […]
Razanamahasoa Christine : “Mirongatra ny tsy fandriampahalemana”
“Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Inona no anton’izany? Nefa manenika ny tanàna ny mpitandro filaminana. Mipetraka ny fanontaniana ampian’ny ahiahy any anatin’ny tsirairay avy.” Kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, namarana ny fivoriana ara-potoana, teny Tsimbazaza, omaly, io. Manomboka matahotra indray ny vahoaka amin’ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Efa nanao izay fantany […]




