Politika

Filohan’ny FJKM: « Mifalia fa aza resin’ny krizy mafy… »

Niarahaba ny rehetra, noho izao fetin’ny Noely izao, ny eo anivon’ny FJKM, tamin’ny alalan’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. “Mifalia amin’ny krismasy fa aza resin’ny krizy mafy…”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hadinon’ Andriamanitra ao anatin’ny olam-piainana mianjady amintsika akory isika, na toy inona na toy inona hamafin’izany. Tsy […]

Rajaonarimampianina kandidà: mbola mitana ny fangatahany ny HVM

“Hamafisinay eto fa herinandro maromaro izay no efa ny fangatahany ny firotsahan’ny  filoha mpanorina, Rajaonarimampianina Hery, ho kandidà filohan’ny Repoblika. Tsy hiverina amin’izany ny antoko, tsy hiverina amin’izany ny filoha Rajaonarimampianina Hery”, hoy ny filohan’ny HVM, Rakotovao Rivo, ny herinandro teo. Ao anatin’ny fanajana ny rafitra eto amin’ny antoko, tsy […]

Fifidianana madio: nankasitrahan’ny MMM ny fanohanan’ny Amerikanina

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny fankasitrahana ny finiavan’ny governemanta Amerikanina, hanampy antsika amin’ny fikararakarana fifidianana madio, malalaka ary mangaraharaha. “Mankasitraka manokana an’i Etazonia noho ireo fanampiana manan-danja, mampiseho fahavononan’ny fanjakana Amerikanina hanamafy orina ny demokrasia eto amintsika. Hikarakara fifidianana hary fomba ary hikatsaka ho avy politika, […]

Ramamimampionona Gérard: “Ny politika manakorontana no mila ajanona”

“ Ao anatin’ny hoe fitoniana politika: tsara hojerena ny politika manakotaba, ny politika mitabataba, ny politika manakorontana. Eo koa ny politika fifampihantsiana sy fifanaratsiana. Ireny no tokony hajanona.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, ny amin’ny hoe fiatoana politika amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao. […]

Krismasy: miandrandra sy mila fitoniana ny vahoaka

Krismasy… krizy mafy? Saika efa mila hahazatra sy mandeha hoazy izay fitenenana izay. Efa mba misy ny fiovana? Isan-taona, saika tsy mahafa-bela ny fahasahiranana. Tsy maintsy atrehina ny fety, araka izay tandrify sy zakan’ny isan-tokantrano sy ny tsirairay. Eny, na ny isan-tsehatra aza: sampandraharaha sy orinasa, ambaratongam-pitondrana, fikambanana… Misy amin’izany […]