Avy any Dubaï dia nihazo an’i Addis Abeba, Ethiopie indray ny filoha Rajoelina sy ny delegasiona miaraka aminy. Namonjy ny fivoriambe faha-37-ny Vondrona Afrikanina, ny 17 sy 18 febroary izao. Hanomboka, anio, atsy Addis Abeba, Ethiopie, ny fivorimbe faha-37 ataon’ny Vondrona Afrikanina (UA). Omaly no tonga any an-toerana ny delegasiona […]
Politika
Andriantsizehena Benja Urbain : “Omeo sehatra ny antoko politika hofidina”
“Tsy misy kajikajy politika io”, hoy ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, manoloana ny fanehoan-kevitry ny antoko na mpanao politika sasany fa misy kajikajy politika ny volavolana tetiandrom-pifidianana naroson’ny Ceni ho an’ny governemanta ny amin’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana kaominaly. Kianjan’ny demokrasia ny Antenimierampirenena, kianja politika. Ny dikan’izay: […]
Trangana fanolanana : ho fiarovana ny zon’olombelona ny fanitsiana lalàna
Nitondra fanazavana ny minisitry ny Fitsarana momba ilay lalàna nasiam-panitsiana amin’ny famaizana ny mpanolana. Ho fiarovana ny zon’olombelona izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy nitondra fanitsiana ny fehezan-dalàna famaizana ny fitondram-panjakana, ka nametraka ny fanaovana famosirana mba ho fiarovana koa ny zon’olombelona sy ny zon’ireo zaza iharan’izany habibiana izany”. Io […]
Rajaonarimampianina Hery: “Hitohy amin’ny endriny maro ny tolona…”
“Ho fanavotana ny tanindrazana sy fikatsahana izay mahasoa ny taninjanaka no efa nitolomantsika ary mbola hitolomantsika mandraka ankehitriny”, hoy Rajaonarimampianina Hery, filoham-pirenena teo aloha. Ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana, ny fampahoriana ny vahoaka malagasy sy ny famotehana ny toekarem-pirenena ary ny tsy fandriam-pahalemana izay sady mamono no mandringana ny […]
Fiatrehana fifidianana : manolo-kevitra amin’izay mila jerena maika ny Hetsika Rohy
Heverina fa ilaina maika ny fiverenana fijerena ny lalàna fehizoro lah. 2018-008 mifanaraka amin’ny fifidianana ankapobeny sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, singanina amin’izany ireo mifandraika amin’ny fepetran’ny fangaraharan’ny fandaniana amin’ny fifidianana, araka ny fanambaran’ny Hetsika Rohy, misy fikambanana 78 nanao sonia, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Eo ny fanalalahana ny toerana iombonana amin’ny […]




